♦ Hitohy anio amin'ny alalan'ny diabe am-bavaka hihazo ani Vohipeno ny Pelerinazy miaraka amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana... ♦ Hisy fiatraikany goavana amin'ny andavanandrom-piainan'ireo olona manana tany voakasik'ilay fanamboaran-dalana miainga eny Andranotapahina mihazo ety Ivato, ny fanohizana ny asa ka mangataka ny hampitsaharana izany izy ireo... ♦ Mbola ho sarotra ny hahavitan'ireo solombavambahoaka ny andraikitra nankinina amin'izy ireo raha toa ka tsy hahazo ny maroan'isa eny Tsimbazaza ny mpanohitra hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko Teza... ♦ Tsy mbola naneho hevitra manoloana ilay valim-panafihana nataony tany Iran i Israel...

Ny Jenezy dia mampiseho antsika ny toetr'olombelona manana fahatokiana tsy manam-petra an'Andriamanitra. I Abrahama, be fitiavana no nahatoky voalohany. Resy lahatra izy fa afaka manolotra vehivavy sahaza ho an'ny zanany Andriamanitra. Tsy ara-nofo fotsiny ny maniry hanana tokan-trano fa mila mahatoky an'Andriamanitra.  Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

20 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 61-69)

♦ Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika androany, ny fonja vaovaon'i Fenoarivo Atsinanana, izay mahazaka voafonja miisa 900... ♦ Namoaka ny mpiofana andiany faha-10 misalotra ny anarana "Mamiratra" androany, ny ivonteorana fanofanana vehivavy "Mivaotra sy Mahaleo tena" ao amin'ny Filles de Marie Auxiliatrice, Ampasanimalo... ♦ Mbola tsy hahavita ny andraikiny toy ny hatramin'izay ny Solombavam-bahoaka, raha mbola tsy ho maro an'isa ny mpanohitra eny Tsimbazaza, hoy ny antoko TEZA...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...