♦ Tapitra tanteraka ny fe-potoam-piasàn'ireo solombavambahoaka teo aloha. Volavolan-dalàna 125 sy ireo tolo-dalàna 52 no nodinihin'izy ireo nandritra ny 5 taona hoy ny tatitry ny filohan'ny Antenimieram-pirenena mpisolo toerana... ♦ Mbola voatàna hatramin'izao ny tetiandro vinavina hanatanterahana ny fifidianana ben'ny tanàna, raha ny nambaran'ny eo anivon'ny CENI. Tsy maintsy hotanterahina amin'ity taona ity izany hoy ny Praiministra, omaly... ♦ Hivory noho ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika ny vondron'ny kaoperativa mpitatitra ao an-drenivohitra na ny UCTU. Hodinihina ny mety hampiakarana na hitazonana ny saran-dalana ankehitriny...
♦ Nifarana androany ny fivoriana ara-potoanan'ny andrim-panjakana mpanao lalàna. Nikatona tanteraka androany koa ny fe-potoana fanaovan-dalàna ho an'ireo Solombavam-bahoaka teo aloha... ♦ Nilamina amin'ny ankapobeny ny fizotran'ny fanadinam-panjakana BEPC, manerana ny nosy... ♦ Hivory, handinika ny mety hiakaran'ny vidin-tsolika ny vondron'ny kôperativam-pitaterana ao Antananarivo Renivohitra na ny UCTU...
♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...
♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna faharoa amin'ity taona ity na ny BEPC nanomboka androany ny mpianatra taona faha-9, maherin'ny 290.000 ny mpiadina amin'izany manerana an'i Madagasikara... ♦ Mifarana androany voalohan'ny volana jolay ny fe-potoana fiasan'ireo solombavambahoaka miisa 151 voafidy ny taona 2019... ♦ Tsy hiantraika mivantana amin'ny toe-karena sy sôsialy eto Madagasikara ny fahazoantsika famatsiam-bola roa sosona, avy amin'ny tahirim-bola iraisam-pirenena hoy ny mpahay toe-karena Jonah Andrianantoanina... ♦ Hihato manomboka rahampitso 02 jolay avokoa ny fihaonana samihafa fanaon'ny Papa François noho ny fe-potoana fialantsasatra ho azy, izay haharitra iray volana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco