♦Nahomby ny tetik'asa CASEF nandritra ny 7 taona niasany tamin'ny Faritra 16 teto Madagasikara... ♦ Efa miomana amin'ny fiatrehana ny fivoriana an-tampony momba ny "diniky ny ho avy" atao any Etazonia ny ministeran'ny raharaham-bahiny... ♦ Tsy ataon'ny fitondram-panjakàna Malagasy laharam-pahamehana ny fiarovana ny zon'ny ankizy, hoy ny Vovonan'ny Firaisamonim-pirenena misahana izany... ♦ Nandefa miaramila fanampiny any amin'ny faritra Tchassiv mba iarovana ity tanàna stratejika, any amin'ny sisin-tany Atsinanana manakaiky ny tanànan'i Dombass ity ny tafika Okraniana... ♦ Niharan'ny tifitra ny biraon'ny vokovoko mena iraisam-pirenena tany Gaza, omaly tolak'andro ; 22 isa no maty ary 45 naratra...

♦ Namoaka ny andiany faharoa nisalotra ny anarana "Voromahery" ny Institut Supérieur Saint Thomas d'Aquin tantanan'ny Saleziana Don Bosco any Fianarantsoa... ♦ Hatsaraina ny fitantanana ny loza sy ny tandin-dondoza, ka hisy ny fandraisana fepetra amehana mandritra ny fotoan'ny hisehoan'ny loza... ♦ Hanao hetsika filatsahana an-tsitrapo eto Madagasikara ireo tanora Malagasy am-pielezana miisa 10, tafiditra anatin'ny tetik'asa Loharano... ♦ Miha mafy ny disadisa misy eo amin'ny Corée Atsimo sy Corée Avaratra, nisy miaramila Kôreana Tavaratra saika hiditra an-keriny tao amin'ny sisin-tany mampisaraka ny firenena roa tonta omaly... ♦ Olona miisa 30 indray no namoy ny ainy omaly tany amin'ny faritr'it Gaza...

♦ Mahatratra 8 miliara Dolara ny trosan'i Madagasikara akehitriny, raha ny fantatra nandritra ny latabatra boribory androany teny amin'ny UCM Ambatoroka... ♦ Miisa 70.000 ireo horonan-tsary mamoafady nataon'ny ankizy Malagasy, miparitaka any amin'ny tambazotran-tserasera any ivelany, raha ny nambaran'ny fiarahamonim-pirenena misahana ny fiarovana ny zon'ny ankizy... ♦ Tsy mankasitraka ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa, ny Randrana Sendikaly...

♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...