Ny safidy dia isan'ny maha-olombelona ; ny anjely dia tsy manan-tsafidy fa manatanteraka hiraka fotsiny. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra ary nomena ny olona tsirairay. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mbola voasokajy isan'ireo firenena PMA, isan'ny mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny PNUD omaly... ♦ Hanangana vondrona Parlemantera tsy miankina ireo solombavambohoaka lany tamin'ny fikambanana LAUY FAR... ♦ Mitaky ny hisian'ny fikaonandoham-pirenena ny ARFM, tsy vahaolana hoy izy ireo ny fanantanterahana ny fifidianana nifandimby... ♦ Tafakatra 900 ireo olona mpanao fivahinianana Masina any LA MECQUE no namoy ny ainy, raha ny loharanom-baovao avy amin'ny AFP Agence France Presse alina... ♦ Mpikambana ao amin'ny C.C.A.T miisa 11, mpitaky ny fizakan-tena nikotrika korontana tany NOUVELLE CALEDONIE no voasambotra omaly...

♦ Nidina ny IDH na ny tondro momba ny fampandrosoana ny maha olona teto Madagasikara, ny taona 2020 sy 2021, noho ny fisian'ny valanaretina Covid-19 maneran-tany... ♦ Nifarana androany ilay atrikasa teknika ho famolavolana ny lalàna mifehy ny herinaratra eto Madagasikara... ♦ Mampitandrina ireo mpifaninana taminy, ny kandida Randrianasolo Nicolas sady Solombavam-bahoaka amperin'asa any Betroka, mba hampitsahatra ny fanaratsiana sy ny fanosoram-potaka...

♦ Noafahana omaly ny Solombavam-bahoakan'i Tsihombe, Masy Goulamaly, rehefa notazonina nandritra ny 18 andro. Mbola araha-maso ara-pitsarana hatrany anefa ity olom-boafidy ity... ♦ Mety mbola ho maro an'isa eny Tsimbazaza ireo depiote mpanohana ny fitondrana. Tsy mbola hisy ny azon'ny mpanohitra hatao, raha tsy ovaina ny lalàna mifehy ny Antenimieram-pirenena, hoy ny antoko Teza... ♦ Nahazo famatsiam-bola 18 tapitrisa Euros, avy amin'ny Governemanta Alemà, ny fanjakana Malagasy. Famatsiam-bola hanohanana ny tetik'asa fampisitrahana herinaratra ireo faritra tsy mbola misy izany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...