Boky Deterônômy (Det 18, 1. 5-20)
Tamin’izany andro izany,
i Môizy niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Hanangana Mpaminany anankiray tahaka ahy eo afovoanao,
eo amin’ny iray firenena aminao,
ny Tompo Andriamanitrao;
hohenoinareo izy.
Izany no nangatahinao tamin’ny Tompo Andriamanitrao tany Hôreba,
tamin’ny andro nivoriana, nataonao hoe:‘Aoka tsy ho feon’ny Tompo Andriamanitro intsony no ho henoko,
ary aoka tsy hahita izany afo lehibe izany intsony aho,
fandrao maty’”.
Dia hoy ny Tompo tamiko:
“Tsara ny voalazan’izy ireo.
Hananganako Mpaminany anankiray tahaka anao,
avy eo amin’ny iray firenena aminao izy;
hapetrako eo am-bavany ny teniko
dia holazainy amin’izy ireo ny zavatra rehetra handidiako azy.
Ka raha misy tsy mihaino ny teniko,
izay holazainy amin’ny Anarako,
dia Izaho no hampamoaka azy ny amin’izany.
Fa ny Mpaminany izay entim-piavonavonana kosa,
ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy,
na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa,
dia ho faty izany Mpaminany izany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 94, 1-2. 6-7. 8-9
Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo,
hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika;
andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra,
hankalaza Azy amin’antsa.
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka,
handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika.
Fa izy no Andriamanitsika;
isika kosa, vahoaka, ondriny eo an-tanany.
Enga anie ianareo anio
ka mba handre ny feony!
Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra,
tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana,
raha naka fanahy Ahy ny razanareo,
na dia efa nahita ny asako aza.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 7, 32-35)
Ry kristianina havana,
tsy tiako ho maro ahîna ianareo.
Izay tsy manambady, dia miahy ny momba ny Tompo,
mba hahafaly ny Tompo;
fa ny lehilahy izay manambady kosa,
miahy ny momba izao fiainana izao mba hahafaly ny vavy,
ka voazara izy.
Toy izany koa ny vehivavy;
izay tsy manambady sy ny virjiny,
dia miahy ny momba ny Tompo,
mba ho masina ny vatany amam-panahiny;
fa ny vehivavy izay manambady kosa
dia miahy ny momba izao fiainana izao,
mba hahafaly ny lahy.
Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany,
fa tsy ny hamadika anareo e!
natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin’ny Tompo tsy aman-tsampona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 21-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany nankany Kafarnaôma,
ka ny sabata voalohany ihany,
dia niditra tao amin’ny Sinagôga Izy ary nampianatra ny olona.
Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany,
satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy,
fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
Ary tao amin’ny Sinagôgany
dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto,
ary niantso mafy izy nanao hoe:
“Mifampaninona izahay sy Ianao,
ry Jesoa avy any Nazareta?
Tonga hampahita loza anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra”.
Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe:
“Mangina,
ary mivoaha amin’io lehilahy io”.
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy,
dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy.
Gaga ny olona rehetra, ka nifampilaza hoe:
“Inona ity?
Fampianarana vaovao inona re ity?
fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy”.
Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsenaina any Tolagnaro androany, ireo delegasiôna miaraka amin'ny Mgr Luc Olivier Razafitsimialona. Niainga tao Ambovombe, tao aorian'ny Sorona Masina izy ireo, ny maraina teo... ♦ Tsy miaro olon-dratsy ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena, manoloana ny raharaha fanafihan-dahalo ka nahafaty ny Ben'ny Tanàna tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Andranomiely, Distrikan'Ankazobe, nahavoatonotonona miaramila avy amin'ny DAS...
Noho ny vanim-potoana sy ny tontolo manodidina dia lasa misy antsana mampisaraka ny tanora sy olon-dehibe. Misy fomba fifandraisana tsy maintsy arafitra sy arindra, noho izany, mba hisian'ny fifampihainoana.
♦ Namaivay ny tsikera sy ny fanakianana nahazo ireo mpikambana eo anivon'ny HCC, nandritra ny fikaranana ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo, hoy ny Filohany... ♦ Notanana am-ponja vonjy maika, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ireo olona valo isan'ny voarohirohy tamin'ilay raharaha nahafatesan'ny Ben'ny Tanàna tany Andranomiely, Distrikan'Ankazobe...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco