♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitriny, ny Nonce Apostolique sy ireo Eveka avy amin'ny Diôsezy samihafa avy eto Madagasikara... ♦ Manolotra ny teny fankasitrahana ho antsika mianakavy nanotrona sy nanohana azy ireo, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fianakaviana Masina, ny fianakaviamben'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nofaranana tamin'ny 20 sy 21 janoary 2024 ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny EKAR Trinite Masina Anosimasina, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
♦ Foana avokoa ny fampitandremana momba ny fahabetsahan'ny rotsak'orana, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo. Mbola ho mafy anefa ny fitsokan'ny rivotra any amin'ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana... ♦ Tsy ampy antsasa-manilan'ireo infirmiera ara-dalàna eto Madagasikara, no misoratra ao amin'ny Holafitra. Omena roa volana ireo infirmiera rehetra ara-dalàna, hisoratra anarana... ♦ Milaza ho misy mandrahona ny hisambotra, Andriamatoa Rabevahiny Elia, tao aorian'ny fanehoan-kevitra nentiny amin'ny tokony hanafahana ireo olona telo nofonjaina, noho ny raharaha Bas-Mangoky...
♦ “Mpivahin'ny Fanantenana”, io no lohahevitry ny Taon-jobily 2025, eo anivon'ny Eglizy Katôlika maneran-tany. Mitondra fanazavana ny ekipa mpanomana ho an'ny eto Madagasikara... ♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy anio ny taom-pambolen-kazo 2023-2024. Ankoatra ny eny Imerintsiatosika, hisy koa ny hetsika isam-paritra... ♦ Manohy ny asany vonjy maika mandra-pisian'ny fifidianana ireo handimby azy, ny Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina Monisipaly, araka ny fanapahan'ny HCC...
♦ Nampahafantarina androany ny fiomanan'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, araka ny toromariky ny Papa François... ♦ Manohy ny asany vonjy maika, mandrapaha voafidy izay handimby azy, ireo Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina monisipaly, izay tapitra fe-potoam-piasana ankehitriny. Namoaka izany fanapahana izany ny HCC, androany... ♦ Namoizana ain'olona ny firotsahanan'ny orana tsy an-kiato any amin'ny Faritra Diana. Tombanana mbola hitohy hatramin'ny rahampitso ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratry ny nosy, hoy ny Météo...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco