Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 6, 1-11)

Mihainoa, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena.

Mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara;
mihainoa ny fampianarana,
ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany.
Mampandria sofina,
ianareo mpifehy ny sarambabem-bahoaka...
ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be.
Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery,
ary ny Avo indrindra no nanome anareo ny fahefana,
dia Izy no handinika ny asanareo,
sy hizaha toetra ny hevitrareo.
Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany
tsy mbola nitsara ara-drariny,
na nitandrina ny lalàna,
na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra;
dia hiantefa aminareo Izy,
mahatsiravina sy tampoka
fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy.
Ny madinika,
avela heloka amim-pamindram-po,
fa ny manam-pahefana kosa
faizina mafy.
Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra,
ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso;
fa samy noarìny ny lehibe sy ny kely,
ary samy ahìny na ireto na iretsy.
Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.
Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka,
mba hianaranareo ny fahendrena,
ka tsy ho lavo ianareo.
Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana,
hohamarinina;
ary izay mianatra azy hanan-kavaly.
Koa aoka hankamamìnareo ny teniko;
aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 81, 3-4. 6-7

Mitsangàna, ry Andriamanitra, hitsara ny tany.

Omeo rariny ny malahelo sy ny kamboty;
omeo hitsiny ny tsy manana sy ny ory!
Afaho ny malahelo sy ny mahantra
ka esory amin’ny tanan’ny olon-dratsy!
Andriamanitra ianareo, hoy Aho fahiny, sy zanak’Ilay Avo avokoa!
Aoka, fa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo,
sy ho lavo tahaka ny nofo rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)

Ny vahiny indray itý no hany niverina hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany
nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea.
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy,
dia nifanena tamin’ny boka folo lahy
izay nijanona teny lavidavitra teny.
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe:

“Ry Jesoa Mpampianatra ô,
mamindrà fo aminay.”

Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe:

“Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona”;

ka nony nandeha ho any izy ireo
dia sitrana teny am-pandehanana.
Ary ny anankiray tamin’ireny,
rahefa nahita fa sitrana izy,
dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra
tamin’ny feo mahery.
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy,
dia nisaotra Azy;
ary Samaritanina izy io.
Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe:

“Moa tsy folo lahy va no nadio?
Ka nankaiza àry ny sivy?
Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny
mba hankalaza an’Andriamanitra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Mitsangana, ary mandehana,
fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Tontosa ny sabotsy 11 nôvambra 2023, ny fanaovam-beloma farany an'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, pretra Salezianin'i Don Bosco; sy i Sr. Teresa Leonik, Fille de Marie Auxiliatrice, izay samy nodimandry ny 7 nôvambra 2023... ♦ Nanasa ny rehetra hikarakara ny fiainana anaty ny Papa François, nandritra ny vavaka Angélus, ny alahady teo...

♦ Mifantoka amin'ny raharaham-pirenena ny hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, izay navoakan'izy ireo omaly alakamisy 9 nôvambra 2023... ♦ Hotanterahana rahampitso 11 nôvambra amin'ny 11 ora antoandro, ny fanankinana amin'Andriamanitra ny fanahin'i P. Jean Marcellin Ramiandrisoa, Salezianin'i Don Bosco...

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 2, 23 — 3, 9)

Hoatra ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, kanjo ao anatin’ny fiadanana.

Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona,
ary nataony mitovy tarehy amin’ny tenany;
fa ny fialonan’ny demony
no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao,
dia hanandrana izany ry zareo izay azy.
Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina,
ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.
Hoatra ny maty izy,
araka ny fiheveran’ny adala azy,
ary hoatra ny loza ny fialany amin’izao fiainana izao,
ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika;
kanjo ao anatin’ny fiadanana izy.
Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona,
ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.
Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana,
dia handray valisoa lehibe izy:
fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy,
ka hitany ho mendrika Azy.
Notsapainy toy ny volamena atao anaty memy izy,
ka nankasitrahany,
toy ny sorona dorana lavorary.
Amin’ny andro hamalian-tsoa azy,
hamirapiratra izy ireo;
tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.
Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy;
ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.
Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina;
hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy,
satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-3. 16-17. 18-19

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko;
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina;
ny sofiny amin’ny tolokon’ireo.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.

Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo:
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)

Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Iza moa aminareo no manana mpanompo
miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha
no mba hilaza aminy hoe:

‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’

Moa tsy izao aza no holazainy aminy:

‘Amboary ny sakafoko,
ary misikina hampihinana ahy
mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro,
fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’

Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy,
satria nanao izay nasainy nataony io?
Ataoko fa tsy izany.
Koa tahaka izany koa ianareo:
rahefa vitanareo izay nandidiana anareo,
dia lazao hoe:

‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,
fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...