Boky Faharoan’i Makabeo (2 Makabeo 7, 1. 20-31)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny;
ary notadiavin’ny mpanjaka hoterena hihinan-kena kisoa,
noraràn’ny lalàna, izy ireo,
ka nokapohina natao hoto tamin’ny kotopia aman-kozatr’omby.
Mahagaga mihoatra izay azo lazaina sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny,
fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja;
nefa notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po.
Samy namporisihiny tsirairay avy izy ireo tamin’ny fitenin-drazany
ary feno hevitra mendrika indrindra izy,
ka ny halemem-behivavy tao aminy, dia notohanany herim-pon-dehilahy.
Dia hoy izy tamin’izy ireo:
“Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko;
tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo;
tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan’ny vatanareo.
Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao,
izay namorona ny olombelona hatramin’ny nahaterahany,
sy mandahatra ny fiavian’ny zavatra rehetra,
dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony,
satria noho ny fitiavanareo ny lalàny
no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny.”
Nataon’i Antiôkosa fa tsiratsiraina izy,
ary noheveriny ho fanazimbana azy ireo teny ireo.
Raha mbola velona ihany ilay faralahy,
dia sady namporisihiny io no nampanantenainy tamim-pianianana,
fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mahafoy ny lalàn’ny razany,
dia horaisiny ho sakaiza ary homeny raharaha ambony.
Tsy nasian-drazazalahy raharaha akory anefa ireo fanolorana ireo;
ka ny reniny no nantsoin’ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra mahavonjy an’itý zatovo.
Namporisihiny ela ravehivavy vao nanaiky hitaona an-janany.
Nihilana teo aminy izy no sady nanaraby an’itsy mpanjaka masiaka,
ka dia niteny tamin’ny fitenin-drazany hoe:
“Mamindrà fo amiko, anaka,
izaho nitondra anao sivy volana tato an-kiboko,
nampinono anao telo taona,
nikarakara anao, namelona sy nanabe anao hatramin’izao taonanao izao.
Ka mihanta aminao aho,
jereo ny lanitra sy ny tany,
diniho izay rehetra ao aminy,
ary fantaro fa Andriamanitra no nahary izany tamin’ny tsinontsinona,
ary toy izany no nahazoan’ny taranak’olombelona fisiana.
Aza matahotra itý mpamono, mbà mendrika an’ireo rahalahinao,
ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin’ny rahalahinao,
raha mby amin’ny andron’ny famindram-po.”
Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy:
“Fa inona no andrasanareo?
Tsy ekeko ny didin’ny mpanjaka,
ny didin’ny lalàna nomen’i Môizy ny razanay no ekeko.
Ary ianao izay fototr’izao loza rehetra mamely ny Hebrio izao,
dia tsy ho afa-mandositra ny sandrin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 16, 1. 5-6. 8 sy 15
Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Mandrenesa ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amin’ny molotra mpamitaka.
Mikiry mamindra amin’ny soritrao aho,
ka tsy mamela ny tongotro hivily.
Miantso aho, ka valio Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny.
Ambeno toy ny anakandriamaso aho;
afeno aho ao amin’ny aloky ny elatrao.
Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao,
hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 11-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý,
fa efa akaiky an’i Jerosalema Izy,
ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay,
ka hoy Izy:
“Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana,
dia mbola hiverina.
Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy
ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe:‘Ampitomboy ireny mandrapiveriko.’
Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy
ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe:‘Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.’
Nony nahazo fanjakana izy, ka tafaverina,
dia nampaka ny mpanompo nomeny vola
mba hahitany izay tombony azony avy.
Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe:‘Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.’
Ary hoy izy taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hifehy tanàna folo ianao.’Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe:
‘Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray.’
Ary hoy izy taminy:
‘Hifehy tanàna dimy koa ianao.’
Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe:
‘Tompoko, indro ny minanao,
fa notahiriziko tao anaty lamba;
satria natahotra anao aho, noho ianao lehilahy sarotiny
ka maka izay tsy napetrakao sy mijinja izay tsy nafafinao.’Dia hoy ilay mpanjaka taminy:
‘Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy;
fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako,
ary mijinja izay tsy nafafiko;
koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako
mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho?’Dia izao no nataony tamin’izay teo:
‘Alao ny minany eny aminy ka omeo an’ilay manana folo.’
Fa hoy ireo taminy:
‘Tompoko, efa manana mina folo izy.’
‘Lazaiko aminareo fa izay manana no homena;
fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin’izay ananany aza.
Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý,
ka vonoy eto anatrehako.’”
Rahefa niteny izany i Jesoa,
dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Faharoan’i Makabeo (Makabeo 6, 18-31)
Tamin’izany andro izany,
i Eleazara iray amin’ireo mpampiana-dalàna ambony,
izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik’andriana indrindra,
dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa.
Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka;
naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijaliana izy;
toy ny tsy maintsy androsoan’izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina,
noho ny fitiavana ny aina.
Nifankahazo tamin’i Eleazara hatra ny ela kosa
ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany,
ka nalainy mangingina izy,
novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany
ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka;
satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin’ny fahafatesana izy,
ka hahita soa amin’ny famindram-po ataon’izy ireo
noho ny fisakaizany taminy efa ela be.
Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena,
araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany,
ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy toe-piainana mendrika indrindra
narahiny hatramin’ny fahazazana,
ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy;
ka noho izany ny handefasana azy haingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.
Hoy izy:
“Tsy mety tokoa,
raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra;
fandrao dia heverin’ny zatovo maro
fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa i Eleazara nony efa sivifolo taona.
Amin’izany izy ireo,
noho ny fanafenako hevitra,
sy noho ny sisam-piaina-mandalo, dia ho diso lalana;
ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako.
Ary na ho afaka amin’ny sazin’olombelona fe ankehitriny aza aho;
tsy ho afa-mandositra ny tanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra,
na velona aho na maty.
Noho izany,
raha amin-kerim-po no handaozako itý fiainana itý ankehitriny,
dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay,
ary ohatra ambony no havelako harahin’ny tanora
amin’ny fahafatesana antsitrapo sy amin-kerim-po
noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina.”
Vao avy niteny izany izy,
dia nizotra nankao amin’ny fiasana famonoana.
Noheverin’izay nitondra azy hankeny ho hadalàna ny teny vao notononiny,
ka novany ho halozana ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo.
Nony efa ho fatin’ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe:
“Ny Tompo manana ny fahalalana masina
no mahita fa rahefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho,
dia miaritra fampijalijaliana mafy amin’ny nofoko asiana ny langilangy,
fa amin’ny fanahiko kosa,
mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako azy.”
Toy izany no namoizany ny aina
ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po
sy tsangam-baton’ny hatsaram-panahy,
tsy ho an’ny tanora ihany,
fa ho an’ny vahoaka rehetra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7
Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko
sy ireo mitsangan-kanohitra ahy,
sy ireo mikendry ny aiko:
fa tsy vonjen’Andriamanitra, hono, aho!
Kanjo Ianao, ry Tompo, no Mpanao soa ahy.
Voninahitro, Mpanatràka ny lohako!
Izaho niantso ka niantso ny Tompo:
Izy nanoina tany am-Bohiny Masina!
Izaho mandry, dia matory, dia mifoha:
fa ny Tompo manohana ahy!
Tsy atahorako izay vahoaka alinalina
manemitra ahy hatraiza hatraiza!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna.
Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake,
lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena,
nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy,
fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona,
satria fohy izy.
Koa nihazakazaka nialoha izy,
dia nianika amontana anankiray hitazana Azy,
fa eo no handalovany.
Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy,
ary nanao taminy hoe:
“Ry Zake, midina haingana,
fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.”
Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana.
Ary nony nahita izany ny olona,
dia nimonomonona nanao hoe:
“Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.”
Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe:
“Tompoko,
indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra,
ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny
dia honerako inefatra hoatra azy.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena,
satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý,
fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Dingam-piofanana tsy maintsy lalovana amin’ny fiofanana ho pretra ny filôzôfia… ♦ Nanentana ny tanora mba ho mpamafy fanantenana ny Papa François… ♦ Manan-danja amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny hafaliana…
Boky voalohan’i Makabeo (Makabeo 1, 11-16. 43-45. 57-60. 65-67)
Tamin’izany andro izany,
nisy solofom-paharatsiana anankiray nivoaka avy amin’ireo mpanjaka,
dia i Antiôkosa Epifana, zanak’i Antiôkosa mpanjaka,
izay natao antoka tany Rôma,
sy tonga mpanjaka tamin’ny fahafito amby telopolo amby zato taonan’ny mpanjakan’ny Greka.
Tamin’izany andro izany,
nisy taranaka mpivadika avy amin’i Israely
ka nitarika ny hafa betsaka koa, nanao hoe:
“Andeha isika hikambana amin’ireo firenena manodidina antsika
fa nidiran-doza maro isika,
hatrizay nitokanantsika lavitra an’ireo izay.”
Ary nataony ho mety harahina izany teny izany.
Ka ny sasany tamin’ny vahoaka dia rototra nanatona ny mpanjaka,
ka nomeny lalana hanaraka ny fanaon’ny firenena.
Nanorina toerana fanaovana asa tena mampatanjaka tao Jerosalema,
araka ny fanaon’ny firenena izy ireo.
Nofoanan’izy ireo ny marika amin’ny famorana azy,
dia nialany amin’izay ny fanekena masina,
ary tafakambana tamin’ny firenena sy nivaro-tena hanao ny ota izy.
Namoaka didy tamin’ny fanjakany manontolo i Antiôkosa mpanjaka,
mba hiraisan’izy rehetra ho vahoaka tokana,
fa samy hanary ny lalàny manokana.
Nanaraka ny didin’ny mpanjaka avokoa ny firenena.
Nanaiky hanaraka ny fombam-pivavahany koa ny Israelita ankamaroany;
ka nanao sorona tamin’ny sampy sy nandoto ny sabata.
Tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana Kasleo,
taona fahadimy amby efapolo amby zato,
dia naoriny teo ambony ôtelin’ny sorona dorana
ny fahavetavetana lozan-tany.
Nanorenany ôtely koa teo amin’ny tanànan’i Jodà rehetra,
eny amin’ny manodidina.
Ary nandoro emboka teo am-baravaran’ny trano
sy teny amin’ny kianja izy ireo.
Raha mahita Bokin’ny Lalàna eny ho eny izy,
rovitiny aloha, dia dorany.
Izay nahitana Bokin’ny Fanekena,
ary izay niseho ho mbola miraikitra amin’ny lalàna,
na zovy na zovy,
dia novonoina ho faty, noho ny didin’ny mpanjaka.
Maro anefa ny Israelita no nanohitra tamin-kerimpo
sy nanao fikasana mafy tsy hihinana na inona na inona amin’izay maloto.
Naleony maty toy izay handoto tena amin’ny hanina,
sy hametaveta ny Fanekena masina;
ka dia maty izy ireny.
Hatezerana mafy loatra no niantonta tamin’i Israely fahizany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 53 sy 61. 134 sy 150. 155 sy 158
Entanin’ny hatezerana aho noho ireo ratsy fanahy,
izay mandao ny lalànao.
Voan’ny fandriky ny ratsy fanahy aho;
nefa tsy manadino ny lalànao.
Avoty amin’ny fampahorian’ny olombelona aho,
mba hitandremako ny lahatrao.
Ireo mpanenjika ahy manatona heloka,
fa manalavitra ny lalànao kosa.
Lavitra ny olon-dratsy ny famonjena;
satria izy tsy mitady ny fitsipikao.
Nahita mpivadika aho: ka narikoriko;
ny didinao tsy mba tandremany.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 35-43)
Tamin’izany andro izany,
nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa,
dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy,
dia nanontany hoe:
“Inona izany?”
Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo.
Dia niantso izy nanao hoe:
“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô,
mamindrà fo amiko.”
Noraran’izay teo aloha izy mba hangina,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe:
“Ry Zanak’i Davida ô,
mamindra fo amiko e!”
Dia nijanona i Jesoa,
ka nasainy hoentina mankeo aminy izy.
Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe:
“Inona no tianao hataoko aminao?”
Ary hoy izy:
“Mba hahiratra aho, Tompoko.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.”
Niaraka tamin’izay,
dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra.
Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco