Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Boky Fahendrena (Fahendrena 1, 1-7)

Malala-tanana ny fanahin’ny fahendrena; manerana izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo.

Tiavonareo ny fahamarinana,
ianareo izay mpitsara eto an-tany;
aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo,
ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy;
fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy,
ary miseho amin’izay matoky Azy.
Satria ny hevi-dratsy mampisaraka amin’Andriamanitra,
ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy
miampanga ny adala.
Ny fahendrena
tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy,
ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana.
Ny Fanahy Masina,
mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy,
manalavitra ny hevitra tsy misy saina,
ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka.
Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena,
ka tsy avelany ho afa-potsiny
ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony.
Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany.
Mpamantatra marina ny fony,
ary mandre ny teniny.
Fa manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo,
ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra,
ka reny daholo izay lazain’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 1-3. 4-6. 7-8. 9-10

Tariho aho ho amin’ny lalam-pahagola.

Tompo ô! mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.

Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina.

Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao.

Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)

Na diso aminao impito indray andro aza izy ka nanao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana,
fa loza ho an’izay iaviany!
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony
ka alentika any anatin’ny ranomasina izy
toy izay manafintohina
na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Koa mitandrema ianareo.
Raha diso taminao ny rahalahinao,
anaro izy,
ka raha mivalo izy,
dia mamelà azy.
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy,
ka miverina impito koa manao hoe:

‘Mifona aho’,

dia mamelà azy.”

Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo:

“Ampitomboy ny finoanay.”

Fa hoy ny Tompo:

“Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo,
dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe:

‘Miongota,
ka mifindrà any amin’ny ranomasina’,

dia hanaiky anareo izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Notontosaina omaly 5 nôvambra 2023 ny fanaovam-beloma farany an'i Mgr Antoine Scopelliti... ♦ Mangataka amintsika rehetra mba hivavaka ho azy, amin'ny maha mpiandry ondry azy, ny Papa François, ho an'ity volana nôvambra ity... ♦ Isaky ny alahady voalohany amin'ny volana nôvambra no natokana hivavahana ho an'ireo olona maty teny an-dranomasina, izay karakarain'ny "Apostolat de la Mer" ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...

♦ Andrasana ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga ny nofo mangatsiakan'i Mgr Scopelliti androany alina... ♦ Nitsidika ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa nandritra ny telo andro ny Solontenan'ny Ray masina, Mgr Tomasz Grysa... ♦ Hitsidika an'i Dubaï ny Papa François ny 1 hatramin'ny 3 desambra 2023...

Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 6, 12-16)

Mitsena ireo mitady azy ny Fahendrana.

Ny Fahendrena dia mamirapiratra,
tsy mety matroka hatsarana;
mora mahita azy ny olona raha tia azy izy,
ary mora mahazo azy raha mitady.
Mitsena an’izay mitady azy izy,
ary miseho aminy voalohany.
Izay mifoha maraina koa hitady azy,
tsy mananosarotra,
fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.
Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary,
ary ny miari-tory noho ny aminy,
dia ho afaka ahiahy vetivety;
mandeha mivezivezy atsy amin’ary izy
mitady an’izay mendrika azy,
miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana,
ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 7-8

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitra ô.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao,
mangetaheta Anao ny fanahiko,
matimaty Anao ny nofoko:
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toeranao masina no nahitako Anao;
tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Izaho mahatsiahy Anao eo am-pandriana,
tontolo alina mihevitra Anao:
fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
raha efa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka,
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-14)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

Inty tamy ny mpampakatra ka mandehana mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo
izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra,
dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:

‘Inty tamy ny mpampakatra,
mandehana mitsena azy ianareo’.

Tamin’izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo
ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:

‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay’.

Hoy ny navalin’ny hendry azy:

‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo’.

Ary raha mbola nandeha nividy izy,
dia tonga ny mpampakatra,
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:

‘Tompoko, tompoko, vohay izahay’.

Fa hoy ny navaliny azy:

‘Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo’.

Koa miambena ianareo,
fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...