Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 16-25)

Nahalala an’Andriamanitra izy ireo nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
tsy menatra ny Evanjely aho,
satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino,
dia ny Jody aloha, vao ny jentily.
Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra
avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe:

“Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.”

Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra,
mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra
sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina
amin’ny tsy fahamarinany,
satria miseho miharihary ao aminy
izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra,
fa nasehon’Andriamanitra taminy izany.
Fa ny fombany tsy hita,
toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy,
dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany
ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra;
koa tsy afa-miala tsiny izy ireo,
fa nahalala an’Andriamanitra izy,
nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy;
fa nanjary zava-poana izy tamin’ny fisainany,
ary tonga maizina ny fony donto.
Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala,
fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò,
dia nosoloany sarin-javatra mety lò,
toy ny olombelona,
na ny vorona,
na biby mandady tongotra efatra,
na biby mikisaka.
Noho izany,
dia navelan’Andriamanitra izy ireo
hoentin’ny filan-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana,
mba hifanala baràka amin’ny tenany
ary nosoloany lainga ny fahamarinan’Andriamanitra,
ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina
toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay. Amen!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny lanitra mitanisa ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka.
Ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Araikao amin’ny Fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)

Manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy,
ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.
Fa velona eritreritra ilay Farisianina
nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana,
ka hoy ny Tompo taminy:

“Ianareo Farisianina kosa iky
mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia,
kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
Ry adala,
moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa?
Izao ihany:
manaova fiantrana araka izay anananareo,
dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 1, 1-7)

I Jesoa Kristy no nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay, mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana.

Izaho Paoly, mpanompon’i Kristy Jesoa,
voaantso ho Apôstôly sy voatokana hitory ny Evanjelin’Andriamanitra,
— izay nampanantenainy rahateo tamin’ny alalan’ny mpaminany ao amin’ny Soratra Masina,
momba ny Zanany (izay nateraky ny taranak’i Davida araka ny nofo,
ary naseho tamin-kery ho Zanak’Andriamanitra tamin’ny fitsanganan-ko velona
araka ny fanahin’ny fahamasinana),
dia i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nandraisanay ny fahasoavana sy ny maha-Apôstôly anay
mba hampanaiky ny jentily rehetra ny finoana, amin’ny Anarany,
ary anisan’ireny koa ianareo, noho ny fiantsoan’i Jesoa Kristy:
— mamangy anareo rehetra malalan’Andriamanitra any Rôma,
izay olo-masina voaantsony:
homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana
avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1-2. 3ab. 3de-4

Ny Tompo manambara ny famonjeny.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy azy ny tanany havanana,
nanampy azy ny sandriny masina!
Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena.

Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany.
Zahao ry vazan-tany rehetra
ny famonjen’ny Andriamanitray.

Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo,
mientàna, mihobia sy miantsà.
Miantsà ny Tompo amim-baliha sy hira fiantsàna,
amin’antsiva sy feon’anjomara.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

Tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany ianareo.

Tamin’izany andro izany,
nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe:

“Taranaka ratsy itý taranaka itý;
mitady famantarana izy,
nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’itý taranaka itý.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’itý taranaka itý
ny mpanjakavavy avy any Atsimo
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’itý taranaka itý
ny olona tany Niniva
amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 25, 6-10a)

Hanomana fanasana ny Tompo, ary hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.

Amin’izany andro izany,
ny Tompon’ny tafika hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity,
ho an’ny firenena rehetra, dia fanasana amin’ny hena matavy,
fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
Andriamanitra Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny ny Tompo.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:

“Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia ny Tompo izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravo amin’ny famonjeny”.

Fa ny tanan’ny Tompo hipetraka amin’ity tendrombohitra ity.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.

Ny Tompo miandry ahy:
tsy orin’inoninona aho,
fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny eo amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy noho ny Anarany.

Tarihiny amin’ny lala-marina.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy misy loza atahorako:
satria Ianao miaraka amiko,
ireo tehinao mampatoky ahy.

Mandroso sakafo ho ahy Ianao
eo anoloan’ny rafiko:
ny loha andrarahanao ilo,
ny kapoaka ataonao safomorona.

Hasambarana sy fitiavana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no ho fonenako
amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 12-14. 19-20)

Efako ny zavatra rehetra eo amin’Ilay mankahery ahy.

Ry kristianina havana,
haiko ny mihafy, haiko ny manam-be.
Efa nianatra ny ho voky sy ny ho noana aho,
ary ny hanam-be sy ny tsy hanana na inona na inona,
na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona.
Mahefa ny zavatra rehetra aho, amin’Ilay mankahery ahy;
nefa tsara ny nataonareo niombom-pahoriana tamiko.
Fa Andriamanitro kosa no hamonona izay ilainareo rehetra,
araka ny hareny,
hampombainy voninahitra ao amin’i Kristy Jesoa izany.
Ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay!
Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:

‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:

‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,

Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.

Ary niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray
tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:

‘Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?’

Fa sina ilay olona:
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:

‘Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify’.

Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-10)

Asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny lohandohan’ny mpisorona
sy ny zokiolona nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina,
ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:

‘Indro efa voavoatra ny nahandro ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava aty amin’ny fampakaram-bady ianareo’.

Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony,
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy handoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:

‘Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana
ary asao ho aty amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo’,

Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Safidy inona no anananao eo anatrehan'ny tranga misy eto amin'ny firenena?. Safidy hampandroso an'i Madagasikara ve sa safidy vao mainka hampilentika noho ny fitiavantena. Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika, ny vahaolana dia miankina amin'ny izay safidinao ihany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...