Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Malak. 3, 13-20a)

Indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.

Mafy loatra ny teninareo mamely Ahy, hoy ny Tompo.
Ary hoy ianareo:

“Inona no resakay momba Anao?”

Izao no nolazainareo:

“Zava-poana ny manompo an’Andriamanitra;
inona no soa azontsika tamin’ny fitandremana ny didiny
sy tamin’ny fandehanana niory teo anatrehan’ny Tompon’ny tafika?
Fa ankehitriny indro ny tsy mivavaka no lazaintsika hoe: sambatra;
fa ambinina izay manao ny ratsy;
maka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-potsiny.”

Tamin’izany, izay natahotra an’Andriamanitra,
dia samy niresaka tamin’ny namany avy.
Ary ny Tompo kosa nihaino ka nahare Izy;
ary nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany,
ho an’ireo matahotra ny Tompo sy manaja ny Anarany.
Amin’ny andro efa omaniko, hoy ny Tompon’ny tafika,
ho raki-tsoa manokana ho Ahy ireo,
ary ho feno fitiavana azy Aho
ho toy ny mahafeno fitiavana ny olona amin’ny zanany manompo azy.
Ka dia ho hitanareo indray,
ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,
ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.

Fa indro avy ny andro, mivaivay toy ny memy.
Ny mpiavonavona rehetra, sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho mololo,
ary ny andro izay ho avy no handoro azy, hoy ny Tompon’ny tafika,
ka tsy hasiany miangana na ny fakany na ny rantsany.
Fa ianareo kosa izay matahotra ny Anarako,
dia hiposahan’ny Masoandron’ny fahamarinana,
ka ho ao amin’ny tana-masoandrony ny fanasitranana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona mametraka ny fitokiana amin’ny Tompo.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny Lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

Mangataha dia hahazo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha misy aminareo manan-tsakaiza
mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe:

‘Ry sakaiza,
ampisambory mofo telo aho,
fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko,
nefa tsy manan-katolotra azy aho’,

ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe:

‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy;
izaho sy ny zanako efa tafandry
ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’

Lazaiko aminareo,
fa raha maharitra mandondòna izy,
na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano,
dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.
Ary hoy Izaho aminareo:
Mangataha, dia homena ianareo;
mitadiava, dia hahita;
mandondòna, dia hovohàna.
Fa izay rehetra mangataka no mahazo;
izay mitady no mahita,
ary izay mandondòna no vohàna.
Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany,
raha mofo no angatahiny,
na hanome bibilava azy,
raha hazandrano no angatahiny,
na hanome maingoka azy,
raha atody no angatahiny?
Koa raha ianareo,
na dia ratsy toy inona aza,
mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo,
tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra
no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hanentanan’i Ray Masina François ho an’ity volana ôktôbra ity ny mba hivavahana ho an’ny Eglizy, ahafahany mandray ny fihainoana sy fifanalalozan-kevitra ho fomba fiaina amin’ny ambaratonga rehetra… ♦ Nihaona tamin’ireo lahika mpikatroka, pretra, relijiozy, seminarista, ny Arsevekan’ny Toliara… ♦ Ny Fanahy Masina no tompon’anjara voalohany amin’izao Sinaody izao ka mitondra ny fiainan’ny Eglizy hiroso hatrany, hoy ny Papa François, tamin’ny fanokafana ny Sinaodin’ny Eveka ny 4 ôktôbra 2023…

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônasa 4, 1-11)

Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, ary Izaho ve tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe?

Nampalahelo mafy an’i Jônasa ny namindran’ny Tompo fo tamin’ny mponin’i Niniva,
ka tezitra terý izy.
Nanao fivavahana tamin’ny Tompo izy nanao hoe:

“Indrisy, Tompo ô!
Tsy izao indrindra va no nolazaiko,
fony aho mbola tany amin’ny taniko.
Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha,
satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
malain-kitezitra, be fitiavana Ianao,
ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Koa ankehitriny, Tompo ô,
esory amiko ny fanahiko,
fa aleoko maty toy izay velona.”

Fa hoy ny navalin’ny Tompo:

“Mety va ny hatezeranao?”

Dia nivoaka ny tanàna i Jônasa,
ka nipetraka teo atsinanan-tanàna,
nanao trano rantsan-kazo ho azy,
sy nipetraka nialokaloka teo ambanin’io
mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.
Ary ny Tompo Andriamanitra nampaniry tanantanamanga,
izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasa
mba hialokalofan’ny lohany,
mba hanafahana azy amin’ny alahelony
ka nahatsiaro faly erý i Jônasa,
tamin’ny tanantanamanga.
Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana,
dia nandefa fositra ny Tompo hamely ilay tanantanamanga,
ka tonga maina izy.
Nony niposaka indray ny masoandro,
dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana ny Tompo
sady nasian’ny masoandro ny lohan’i Jônasa;
ka efa àna mihitsy izy.
Nangataka ny ho faty izy nanao hoe:

“Aleoko maty toy izay ho velona.”

Fa hoy ny Tompo tamin’i Jônasa:

“Mety va izao hatezeranao,
noho ny amin’ny tanantanamanga izao?”

Ka hoy ny navaliny:

“Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko.”

Dia hoy ny Tompo:

“Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga
izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao,
izay naniry tamin’ny indray alina monja,
dia maty tanatin’ny indray alina koa;
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva,
tanàna lehibe,
izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy,
tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany,
ary biby be dia be!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 85, 3. 4. 5-6. 9-10

Ianao, ry Tompo, mpamindra fo sy mpiantra.

Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
Itý fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibo-kafaliana re ny foko.

Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo;
he! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy,
izany antso sy talahoko reneso.

Ary ireo firenena arianao,
ho tonga avokoa hiankohoka aminao,
fa dia lehibe tokoa ny Anaranao,
mahagaga raha ny asa vitanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)

Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray,
ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy:

“Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko,
tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.”

Ary hoy Izy taminy:

“Raha mivavaka ianareo manaova hoe:
Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.
Avelao ny fahotanay,
fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay.
Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jôn. 3, 1-10)

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva, ary namindra fo Andriamanitra.

Tonga tamin’i Jônasa fanindroany ny tenin’ny Tompo, nanao hoe:

“Mitsangàna ianao,
mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao.”

Dia nitsangana i Jônasa,
ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra,
fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna,
lalana indray andro aloha i Jônasa,
ka nitory izy nanao hoe:

“Rahefa afaka efapolo andro,
dia horavana i Niniva!”

Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka,
ka niala teo amin’ny seza fiandrianany,
nanesotra ny kapaotiny,
mirakotra lasàka,
ary nipetraka teo amin’ny lavenona.
Ary nantsoina tao Niniva
sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka
sy ny mpifehy amin’izao teny izao:

“Aza misy manandrana zavatra akory
na miraotra sy misotro rano,
na olona na biby, na omby aman’ondry;
aoka samy hirakotra lasaka ny olona sy ny biby;
ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra,
samy hiala amin’ny lalan-dratsiny
sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy.
Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra
sy hitonen’ny hatezerany mirehitra,
ka dia mba tsy haripany isika.”

Nahita ny nataon’izy ireo
sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra,
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra
ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 129, 1-2. 3-4ab. 7-8

Raha mitsikilo heloka Ianao, Tompo ô, iza no hahatanty?

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.
Tompo ô, henoy re ’zany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy.
He! fa mitoreo izato feoko.

Raha tsikilovinao irony heloka natao.
Zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no ahitako famelana.
Toky ho ahy Ianao ka dia toaviko.

Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo.
Avotra lehibe ka ianteherana.
Dia Izy no andrasan’i Israely hanavotra azy.
Afaka tanteraka ny helony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

Nandray Azy tao an-tranony i Marta. I Maria no nifidy ny anjara tsara.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray,
ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony.
Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy,
izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny;
fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be.
Dia niato kely izy ka nanao hoe:

“Tompoko,
tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?
Mba asaovy manampy ahy re izy.”

Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Marta, Marta,
maro tadiavina sy be tebiteby ianao,
nefa zavatra iray monja no ilaina;
fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra
izay tsy halana aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...