Fiantombohan’ny Bokin’i Akjea Mpaminany (Akj. 1, 1-8)
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka,
tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana
no nahatongavan’ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany,
tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, governora tany Jodà
sy tamin’i Jôsoe zanak’i Jôsedeka mpisorona lehibe, nanao hoe:
“Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
‘Itý firenena itý manao hoe:
Tsy mbola tonga ny fotoana,
ny fotoana hanaovana ny tranon’ny Tompo indray.’Ary tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany nanao hoe:
‘Ary ho anareo kosa moa
dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina,
amin’izao aharavan’ny trano izao?
Koa ankehitriny, izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
Namafy be ianareo fa mijinja kely;
mihinana fa tsy ampy hahavoky;
misotro, fa tsy ampy hahafa-po;
mitafy, fa tsy ampy hanafana;
ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.
Izao no lazain’ny Tompo ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
Mandehana eny an-tendrombohitra ka mitondrà hazo;
ary ataovy ny trano;
hankasitrahako sy hahazoako voninahitra izany.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy.
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’Ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra,
ka ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!
Aleloia. Aleloia.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)
Tamin’izany andro izany,
i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa
ka tsy hitany be ihany izay hevitra,
fa ny sasany nanao hoe:
“I Joany no nitsangan-ko velona”;
ny sasany nilaza hoe:
“I Elia no niseho”;
ary ny sasany nanao hoe:
“Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha
no efa nitsangan-ko velona.”
Dia hoy kosa i Herôda:
“Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy,
ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?”
Dia naniry hahita Azy izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Lahika manodidina ny 900 avy amin’ny Diôsezy 16 no nanatrika ny fankalazana ny andron’ny lahika nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 septambra, tao amin’ny Diosezin’ny Mananjary... ♦ Nikarakara hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana ny fandaharan’asa PCEE avy eo anivon’ny ivon-toerana Arrupe Faravohitra... ♦ Fitiavana maimaim-poana tsy misy tambiny no itiavan’Andriamanitra antsika. Io no votoanton’ny fampianaran’i Papa François nandritra ny Angelus omaly...
Bokin’i Esdrasa (Esdr. 9, 5-9)
Izaho Esdrasa,
efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva vao tafarina tamin’ny fahoriako;
ary amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra,
dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho
nankany amin’ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe:
“Andriamanitro ô,
safo-kenatra sy mangaihay loatra aho,
tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro,
fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay,
ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany,
dia efa meloka loza erý izahay;
ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay,
ho eo an-tanan’ny mpanjaka hafa,
ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
Nisy andro anefa
nanehoan’ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay,
dia navelany hisy sisa afaka izahay,
ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina,
mba hanazavan’Andriamanitray ny masonay,
sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin’ny fahandevozanay.
Fa andevo izahay,
nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray.
Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy,
hamelombelona ny ainay,
mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo,
dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Tôb. 13, 2. 4. 6. 7. 8
Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra!
Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!
Aharihario ny halehibiazany!
Asandrato eo anoloan’ny miaina rehetra Izy!
Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika,
Raintsika amin’ny taona rehetra.
Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.
Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firenena mpanota:
“Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany:
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!”
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra
sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:
“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano
ho fiampangana azy ireo.”
Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Esdrasa (Esdr. 6, 7-8. 12b. 14-20)
Tamin’izany andro izany,
nanoratra tamin’ireo mpitondra faritany terý am-pitan-drano
i Dariosa mpanjaka nanao hoe:
“Avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra;
aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody
hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.
Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody,
hanorenana indray ny tranon’Andriamanitra io:
ny haren’ny Mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony,
no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.
Didy nomeko izaho Dariosa itý;
ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.”
Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely,
ka nandroso tsara ny asa,
noho ny faminanian’i Akjea mpaminany,
sy i Zakaria zanak’i Adao.
Nanao izy dia nahavita araka ny didin’Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa,
i Dariosa, i Artakserksesa mpanjakan’i Persa.
Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,
taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano.
Ary ny zanak’i Israely, ny mpisorona, ny Levita,
ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana,
dia samy nitokana ny Tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io:
ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak’ondry efa-jato
ary osilahy roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny fokon’i Israely,
ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy,
sy ny Levita araka ny fizarany avy,
hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema,
araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môizy.
Tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany,
dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.
Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka,
ka samy efa madio avokoa.
Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra,
sy ho an’ny rahalahiny mpisorona, ary ho an’ny tenany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5
Faly aho nilazana hoe:
andao ho any an-tranon’ny Tompo;
ny tongotray indro mijadona
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
Ry jerosalema ilay voaorina
ho tanàna tsara rafitra,
hiakaran’ireo foko,
dia ny fokon’ny Tompo.
Fa didy, ry Israely,
ny midera ny Anaran’ny Tompo;
ao no mijoro ny fiketraham-pitsarana,
ny fiketrahan’ny tranon’i Davida.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)
Tamin’izany andro izany,
tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny,
fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka nisy nilaza taminy hoe:
“Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.”
Dia novaliany hoe:
“Ny reniko sy ny rahalahiko,
dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco