Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 4, 12-16)

Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao: hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao ianao.

Ry malala,
aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao,
fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao,
amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana,
amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Mandra-piaviko,
milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana.
Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao,
izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro
mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.
Diniho izany zavatra izany,
ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo,
mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao
ary mahareta tsara amin’izany,
fa raha manao izany ianao,
dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 7-8. 9. 10

Lehibe ny asan’ny Tompo.

He marina sady mahitsy ny Tompo.
Ka ny lalany azo itokisana.
Marim-pototra tsy mba mikoro
ka maharitra mandrakizay.

Nandray famonjena ny olom-boafidy.
Fanekem-baovao no iorenany,
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny masina ny Anarany.

Ny tahotra santatry ny fahendrena,
izay manoa ny Tompo ho velona.
Ka ho feno ny fahalalana.
Tsisy fetra ny lazan’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 36-50)

Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy,
ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy,
dia nipetraka nihinana.
Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna
nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa
ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra,
dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany
ka kotsan’ny ranomasony ny tongony,
fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany,
ary nohosorany diloilo manitra.

Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy,
dia nanao anakampo hoe:

“Raha mpaminany Izy
dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy,
fa hoe mpanota io.”

Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe:

“Ry Simôna,
misy zavatra holazaiko aminao.”

Dia hoy izy:

“Lazao, ry Mpampianatra.”

Ary hoy i Jesoa:

“Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa,
ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo.
Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa,
dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy.
Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?”

Dia hoy i Simôna namaly Azy:

“Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.”

Ary hoy Izy taminy:

“Marina ny anao.”

Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe:

“Hitanao va io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho,
fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra,
izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony
sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Ianao tsy nanoroka Ahy,
izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.
Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako,
izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro.
Noho izany dia lazaiko aminao
fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy;
fa izay amelana kely no kely fitiavana.”

Dia hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Voavela ny helokao.”

Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe:

“Iza moa itý
no mamela na dia ny heloka aza?”

Fa hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Ny finoanao no nahavonjy anao,
mandehana amim-piadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 3, 14-16)

Lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana.

Ry malala, manoratra izany aminao aho,
na dia manantena hankatý aminao faingana aza,
satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho,
dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao
ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra,
dia ny Eglizin’Andriamanitra velona,
izay andry sy fiorenan’ny marina.
Ary tsy azo lavina,
fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana,
dia ilay naseho teo amin’ny nofo,
nohamarinina tao amin’ny Fanahy,
niseho tamin’ny anjely,
notorìna tamin’ny Jentily,
ninoana tamin’izao tontolo izao,
ary nakarina tamim-boninahitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6

Lehibe ny asan’ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-Piangonam-be!
Lehibe ny asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Voninahitra sy fiamboniana no vitan’ny Tompo
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.

Manome hanina ny matahotra Azy Izy,
fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Naneho asa mahery tamin’ny vahoakany Izy,
fa nanome azy ny lovan’ireo firenena.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý,
ary tahaka an’iza izy?
Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe:

‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’

Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay,
lazainareo hoe:

‘Azon’ny demony izy.’

Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro,
ataonareo hoe:

‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io,
sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’

Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hotanterahana ny 23 ka hatramin'ny 26 aogositra 2024 any Antsiranana ny Kôngresy Eokaristika fahatelo iombonan'ny Nosy eto Madagasikara... ♦ Manentana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hikatsaka hatrany ny fandriampahalemana ny Fiombonan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Afrika sy Madagasikara... ♦ Manao fitsidihana any Chine i Mgr Zuppi, Iraka manokan'ny Papa François...

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timote (1 Tim. 3, 1-13)

Ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny; toy izany koa ny Diakra: mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio.

Tena marina izao teny izao:
raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra,
dia maniry raharaha tsara indrindra izy.
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny,
tsy nanam-bady, afa-tsy indray mandeha monja,
mahonon-tena,
hendry,
maotona sy mendrimendrika,
mampiantrano vahiny,
mahay mampianatra,
tsy lian-divay,
tsy mikapoka, fa mandefitra,
tsy mpila ady,
tsy tia vola,
mahay mitondra ny ankohonany,
sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary;
fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany,
hataony ahoana ny fitondra ny Eglizin’Andriamanitra?
Tsy zazavao amin’ny fivavahana,
fandrao dia mieboebo foana
ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.
Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa,
fandrao dia afa-baràka sy voan’ny fandriky ny demony.

Toy izany koa ny Diakra,
dia aoka ho olona maotona,
tsy miroa teny,
tsy lian-divay,
tsy tia harena foana,
mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio;
ary aoka hozahan-toetra izy aloha,
vao manao ny raharahany, rahefa hita fa tsy manan-tsiny.
Toy izany koa ny vadiny,
dia aoka ho olona manaja tena,
tsy mpifosa,
mahonon-tena,
mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
Aoka ny Diakra ho olona tsy nanam-bady afa-tsy indray mandeha,
sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.
Fa izay nahatontosa tsara ny raharahany,
dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany,
sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana
izay ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 100, 1-2ab. 2de-3. 5. 6

Ny fahamarinana no monina ato amiko.

Ny hatsaram-po sy ny rariny no fikàloko;
Ianao, ry Tompo, no fiàntsako!
Izaho mitandrina ny lala-madio,
ny fahamarinana no monina ato amiko!

Izaho miaina amim-po madio ao an-tranoko,
tsy mba mamorona fikasan-dratsy!
Ny mpihatsaravelatsihy dia halako,
tsy ekeko hiraikitra amiko!

Ny mpanebaka namana an-takona,
fongorako,
ny maso mianjona, ny fo miavona
levoniko mihitsy.

Ny masoko dia amin’ny mpino amin’ny tany
mba honenany eo anilako.
Ny mizotra amin’ny lala-madio
no mpanompoko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)

Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy,
ka nanao taminy hoe:

“Aza mitomany.”

Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja,
ary hoy i Jesoa:

“Ry zatovo,
Izaho mandidy anao, mitsangàna.”

Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”

Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra
izany teny fankalazana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...