♦ Notendrenan'ny Papa François ho Evekan'ny nosy La Réunion, i Mgr Pascal Chane-Teng... ♦ Nodimandry teo amin'ny faha-56 taonany i P. Odon Honoré Andrianarisoa, Aomônie Nasiônalin'ny AFAFI-FET... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'Ambanja ireo "Justice et Paix" eo amin'ny sehatra nasiônaly, ka misy ny fiofanana sy ny fivoriana izay nifampizaran'ireo tamin'ireo "Justice et Paix" any amin'ity Diôsezy ity...

Ny fanararaotana dia mety ho amin'ny lafiny tsara fa misy koa ireo manararaotra amin'ny ratsy. Koa araraoty ny andro azo hanaovana soa. Tsy lavitra izany ny fahasarotam-piaro, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 24, 3-8)

Ity no ran’ny fanekena ataon’ny Tompo aminareo.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga i Môizy nitantara tamin’ny vahoaka ny tenin’ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra,
ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe:

“Izay teny rehetra voalazan’ny Tompo dia hotanterahinay avokoa.”

Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’ny Tompo.
Dia nifoha maraina koa izy,
nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra
sy nanangana tsangambato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy,
ka nanolotra sorona dorana tamin’ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana.
Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany,
ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
Izay vao nalainy ny bokin’ny fanekena
ary novakìny teo anatrehan’ny vahoaka izay namaly hoe:

“Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’ny Tompo.”

Dia nalain’i Môizy ny ra,
nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe:

“Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo
momba izany teny rehetra izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 49, 1-2. 5-6. 14-15

Ny saotra, atao fanatitra ho an’Andriamanitra.

Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo: dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany.
Indro Andriamanitra mamiratra
ao Siôna fanaperan-tsoa!

Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona.
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara!

Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Dia antsoy Aho amin’ny andro fahoriana,
fa hanafaka sy hampipetraka amin’ny fanasana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

Avelao haniry ambara-piavin’ny fijinjana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin’ny vahoaka koa, nanao hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahidratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:
‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’
‘Ny fahavaloko no nanao izany‘, hoy ny navaliny.
‘Tianao va ny handehananay hiava azy?‘ hoy ireo mpanompony taminy.
‘Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana;
ary angony ho any an-tsompitra ny vary’.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 20, 1-17)

Ny lalàna nomena tamin’ny alalan’i Môizy.

Tamin’izany andro izany,
Andriamanitra nanonona ireto teny rehetra ireto tamin’i Môizy nanao hoe:

“Izaho no Tompo Andriamanitrao,
izay namoaka anao tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
Tsy hanana andriamani-kafa eo anatrehako ianao.
Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao,
na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony,
na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany.
Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory ianao,
fa Izaho Tompo Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro,
ka amin’izay mankahala Ahy,
mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra,
ary amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko kosa,
mamindra fo hatramin’ny taranaka faharivo.
Tsy hanonom-poana ny Anaran’ny Tompo Andriamanitrao ianao,
fa tsy havelan’ny Tompo tsy ho voasazy izay manonom-poana ny Anarany.

Tsarovy ny andro Sabata mba hanamasina azy.
Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao.
Fa ny andro fahafito dia Sabata voatokana ho an’ny Tompo Andriamanitrao;
tsy hanao asa na inona na inona,
na ny tenanao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy,
na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao,
na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay tafiditra ny vavahadinao.
Satria ny andro enina no nanaovan’ny Tompo ny lanitra, ny tany, ny ranomasina,
mbamin’izay rehetra ao aminy,
fa ny andro fahafito dia nitsaharany,
ka izany no nanasoavan’ny Tompo ny andro Sabata sy nanamasinany azy.

Manajà ny ray aman-dreninao mba ho lava andro ianao
any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao.
Tsy hamono olona ianao.
Tsy hijangajanga ianao.
Tsy hangalatra ianao.
Tsy hitsangan-ko vavolombelona mandainga hamely ny namanao ianao.
Tsy hitsiriritra ny tranon’ny namanao ianao,
tsy hitsiriritra ny vadin’ny namanao,
na ny ankizilahiny na ny ankizivaviny,
na ny ombiny na ny ampondrany,
na inona na inona amin’ny zavatry ny namanao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 8. 9. 10. 11

Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.

Ny Lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy.
Ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy,
mahafaly ny fo.
Ny baikon’ny Tompo mazava,
manilo ny maso.

Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay.
Ny fitsaran’ny Tompo fahamarinana,
samy rariny avokoa.

Maha-te haniry noho ny volamena,
sy ny avosam-bolamena madio;
mamy noho ny tantely,
sy ny tohon-tantely mitsonika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)

Izay mihaino ny teny ka mahalala azy dia mamoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Henoy àry ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny mpamafy.
Raha misy mandre ny tenin’ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy mahalala,
dia avy ilay Ratsy ka manesotra izay voafafy tao am-pony:
dia izany no ilay nafafy teny an-dalam-be.
Ary ilay nafafy tamin’ny tany be vato
no izay mandre ny teny sy mandray azy an-kafaliana miaraka amin’izay,
nefa tsy miorim-paka izy ka tsy maharitra ela;
fa nony misy fahoriana sy fanenjehana noho ny teny,
dia tafintohina miaraka amin’izay izy.
Ilay nafafy tany anaty tsilo
no izay mandre ny teny fa ny fiahiana izao fiainana izao
sy ny fitaky ny harena mamono ny teny ao aminy,
ka tonga tsy mamoa izy.
Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa
no izay mandre ny teny ka mahalala azy;
dia mamoa, ny sasany avo zato heny,
ny sasany enimpolo heny,
ary ny sasany telopolo heny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...