Boky Fanisana (Fanis. 11, 4b-15)
Tamin’izany andro izany,
rafitra nitomany indray ny zanak’i Israely nanao hoe:
“Iza re no mba hanome hena hohahinay?
Tsaroanay izany hazandrano nohaninay maimaim-poana tany Ejipta,
ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolo sy ny tongolon-kova.
Izao kosa maina ny ainay;
tsy misy na inona na inona intsony;
tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.”
Nitovy amin’ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdeliôma ny tarehiny.
Nihahaka nanangona azy ny vahoaka,
dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoambary,
na nitoto azy tamin’ny laona,
dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy.
Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony.
Amin’ny alina filatsahan’ny ando amin’ny toby,
no nilatsahan’ny mana ao koa.
Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviana
avy eo am-baravaran-dainy.
Nirehitra mafy ny fahatezeran’ny Tompo.
Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’ny Tompo hoe:
“Nahoana no dia nasiana izao ratsy izao ny mpanomponao,
ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho
ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity?
Izaho va notorontoronina ity vahoaka ity,
ary izaho va no niteraka azy,
no dia izaho no ilazanao hoe:‘Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono,
ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?’Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao?
Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe:‘Omeo hena izahay hohaninay.’
Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao,
fa mavesatra amiko loatra.
Koa raha izao no ataonao amiko
mihanta aminao aho raha mahita fitia eo imasonao,
vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 80, 12-13. 14-15. 16-17
Kinanjo ny oloko tsy mihaino,
i Israely manosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany,
hanaraka tsara izay sitra-pony.
Indrisy, raha nihaino Ahy ireo olon-tiako,
ka i Israely nanaraka Ahy.
Dia ho noreseko ny fahavalo,
ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.
Ireo mpankahala ho nandadilady,
ho nanaiky resy tanteraka izy!
Ny oloko ho nomeko vary kanto,
niampy tantely tam-batolampy.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo,
hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)
Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka dia nodidian’i Jesoa
hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany,
sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:
“Matoatoa io”,
sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:
“Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!”
Namaly i Piera nanao hoe:
“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.”
Dia hoy Izy hoe:
“Avia.”
Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy nanao hoe:
“Tompo ô! vonjeo aho.”
Niaraka tamin’izay,
naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy,
ka nanao taminy hoe:
“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”
Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy
sy nitsaoka Azy nanao hoe:
“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”
Ary nony tafita ny rano izy ireo,
dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta;
ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao,
dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra,
ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra,
ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany,
dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona,
fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)
Tamin’izany andro izany,
nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa,
dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra
fa rahefa nahare izany ny vahoaka,
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy.
Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka,
ka nositraniny ny marary teo aminy.
Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro:
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.”
Dia hoy ireo taminy:
“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay.”
“Ento atý amiko izany”, hoy Izy taminy.
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Voafidy ary voatendry ho "Administrateur Diocésain" an'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i P. Andrianasolo Sata Jean Noël Peterson... ♦ Tontosa omaly ny fametrahana amin'ny fomban'ny Eglizy ho Arsevekan'Antananarivo an'i Mgr Jean de Dieu Raoelison. Nifanindran-dàlana tamin'izay ny famaranana Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, Andiany fahatelo... ♦ Hivahiny any Marseille, faritra atsimon'i Frantsa ny 22 sy 23 septambra 2023, ny Papa François...
♦ Ankizy avy amin'ny Diôsezy 22, manodidina 15.000 no miatrika ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, tanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nanomboka omaly hatramin'ny alahady ho avy izao... ♦ Mangataka vavaka ho an'ny tanora maneran-tany ny Papa François, mandritra io volana aogositra ho avy io... ♦ "Araraoty hananganana ny ho avy ny hatanorana", hoy ihany Papa François amin'ny hafatra nomeny ireo tanora izay manatanteraka fihaonana hatramin'ny alahady izao, ao amin'ny "Sanctuaire de Medjugorje" any Bosnie-Herégovine...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 1-3)
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia, mividiàna vary ka mihinàna;
avia mividy tsy amim-bola na takalo,
hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy misasatra amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy,
ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ary hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
{tan=Salamo fandinihana}
Sal. 144, 8-9. 15-16. 17-18
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.
Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao,
Ianao mpamahana azy ara-potoana:
ny tananao sokafanao,
dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 35. 37-39)
Ry kristianina havana,
iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va sa fahaterena,
sa fanenjehana sa fahanoanana,
sa tsy fananana inoninona sa loza sa sabatra?
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho fa na fahafatesana na fiainana,
na Anjely na fanjakana,
na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy,
na ireo fahefana na ny any ambony na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika;
ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)
Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa ny nahafatesan’i Joany Batista,
dia niondrana an-tsambo kely Izy mba hitokana samy irery any an’efitra;
fa rehefa nahare izany ny vahoaka
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa,
ka nandeha tongotra nanaraka Azy.
Rehefa niala tao an-tsambo Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka;
ka nositraniny ny marary teo aminy.
Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro;
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina any amin’ny vohitra”.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Tsy tokony handeha izy; fa omeo hanina”.
Dia hoy ireo taminy:
“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa aty aminay”.
Hoy Izy taminy:
“Ento aty amiko izany”.
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany,
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco