Boky Eksaody (Eks. 19, 1-2. 9-11. 16-20b)
Tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nivoahan’i Israely tany Ejipta,
tamin’izany andro izany, no nahatongavany tany an’efitr’i Sinaia.
Efa niala tany Rafidima izy;
ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho,
mba ho ren’ny olona rahefa miteny aminao Aho,
dia hinoany anao mandrakariva koa.”
Dia nolazain’i Môizy tamin’ny Tompo ny tenin’ny vahoaka.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio,
sy ampitso ary asaovy sasàny ny fitafiany.
Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy,
fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia
eo imason’ny vahoaka rehetra ny Tompo amin’ny andro fahatelo.”
Nony marainan’ny andro fahatelo,
dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra,
ary nisy feon’anjomara mafy nitatatata,
ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.
Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka
handeha hihaona amin’Andriamanitra;
dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo,
satria tanaty afo no nidinan’ny Tompo nankeo amboniny,
ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka,
ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara.
Ary niteny i Môizy ka namaly feo azy Andriamanitra.
Nidina ny Tompo nankeo an-tendrombohitra Sinaia,
dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56
Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny razana.
Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao,
ambony fiketraha-mpanjaka.
Isaorana indrindra Ianao,
mahatsinjo ny halalin’ny hantsana.
Isaorana indrindra Ianao,
mipetraka ambony Kerobima.
Isaorana indrindra Ianao,
manerana tany aman-danitra.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 10-17)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe:
“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”
Namaly Izy ka nanao taminy hoe:
“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita,
ary mandre fa tsy mahazo na mahalala;
ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto,
ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony,
dia hibebaka izy ary hositraniko.’
Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita,
ary ny sofinareo fa mandre.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminanysy ny olo-marina
naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 16, 1-5. 9-15)
Tamin’izany andro izany, niala tao Elima ny zanak’i Israely
dia tonga tany an’efitra Sina, anelanelan’i Elima sy Sinaia
tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa,
taorian’ny nialany tany amin’ny tany Ejipta.
Nimonomonona tamin’i Môizy sy Aarôna tao an’efitra
ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra.
Hoy ny zanak’i Israely tamin’izy ireo hoe:
“Inay anie izahay mba matin’ny tanan’ny Tompo tany an-tany Ejipta,
raha ilay nipetraka teo anelanelan’ny vilany feno hena sy nihinana mofo mandra-pahavoky iny izahay;
fa izao kosa nentinareo aty an’efitra izahay
mba hahafaty mosary izao vahoaka be izao.”
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Indro Aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo.
Hivoaka ny olona,
ka isan’andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin’ny indray andro,
mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy na tsia.
Amin’ny andro fahenina,
homaniny izay efa nangoniny ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.”
Ary hoy i Môizy tamin’i Aarôna:
“Lazao amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra hoe:
Manatòna eo anatrehan’ny Tompo ianareo,
fa efa reny ny fimonomononanareo.”
Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna,
no nitodika ny efitra ireo,
ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitry ny Tompo.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Reko ny fimonomononan’ny zanak’i Israely ka lazao azy ireo hoe:
Amin’ny àty takariva ianareo dia hihinan-kena;
ary raha maraina koa dia hivoky mofo,
ka ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”
Nony hariva indreny nisy papelika niakatra nandrakotra ny toby;
maraina indray, nisy ando matevina nanodidina ny toby.
Vao levona ny ando, dia indro hita mandrakotra ny efitra
zava-madinika mandrotsirotsy madinidinika toy ny fanala eo amin’ny tany.
Nahita ireny ny zanak’i Israely dia nifanontany hoe:
“Inona itony?” satria tsy fantany.
Hoy i Môizy tamin’izy ireo:
“Itony no mofo omen’ny Tompo ho fihinanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 77, 18-19. 23-24. 25-26. 27-28
Ninia naka fanahy an’Andriamanitra izy ireo,
ka nangata-tsakafo ho an’ny tendany.
Andriamanitra va re, hoy izy,
hahavonom-panasana atý an’efitra?
Izy nandidy ny rahona eny ambony;
ny varavaran’ny lanitra nadanadanany;
narotsany taminy ny mana ho sakafony:
varin-danitra no nomeny azy ireo.
Mofo Mahery no nohanin’olombelona,
vatsy mahahetsaka no nalefany taminy.
Nirahiny avy eny an-danitra ny rivotr’Atsinanana;
nampiavian’ny heriny ny rivotr’Atsimo.
Hena toy ny vovoka no narotsany ho azy,
dia vorona ohatra ny fasi-dranomasina.
Nalatsany ireny teo anivon’ny tobiny,
ary koa teny manodidina ny lainy.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo,
izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
rahefa nivoaka avy tao an-trano i Jesoa,
dia nipetraka tao amoron-dranomasina.
Ary be ny vahoaka nitangorona teo aminy,
ka niditra teo an-tsambo kely Izy, dia nipetraka teo,
ary ny olona rehetra kosa teo amoron-drano.
Ary nilaza zavatra maro tamin’ireo tamin’ny fanoharana Izy nanao hoe:
“Indro nivoaka hamafy ny mpamafy, ary nony namafy izy,
ny sasany latsaka teny amoron-dalana,
dia tonga ny voromanidina ka nitsindroka azy;
ny sasany latsaka tamin’ny tany be vato sady manify nofo,
ka nitsimoka vetivety, satria tsy lalina ny nofon-tany;
kanjo nony niposaka ny masoandro, dia nalazo izy ka maina,
satria tsy latsa-paka.
Ny sasany latsaka tany anaty tsilo,
dia nitombo ny tsilo ka dia nahafaty azy;
ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa:
ao ny tonga avo zato heny,
ao ny enimpolo,
ary ao ny telopolo.
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Mampahomby ny iraka ny fiombonana sy ny fandraisana anjara, hoy ny Evekan'ny diosezin’i Tsiroanomandidy, Mgr Gabriel Randrianantenaina... ♦ Hampiavaka ny Fihanonam-be Nasiônalin’ny Ankizy Katôlika eto Madagasikara ny “Village Laudato Si’” ho tanterahana ny 29 jolay 2023... ♦ Amboaran’ny firahalahiana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora, hoy ny Papa François...
♦ Hotanterahina ny 27 aogositra 2023 ny andron'ny Diosezin'Antananarivo... ♦ Katesista miisa 315 no tonga niofana teny amin'ny foibe FTMTK Ambohipo nanomboka ny 10 jolay 2023, ho fanamafisana ny fahaiza-manao... ♦ Raha mamono ny konsiansa isika dia mamono ny Fanahin'Andriamanitra, hoy i Mgr Francis Donatien Randriamalala, Evekan'Ambanja...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco