♦ Notendren'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ho Filoham-panjakana vonjimaika, ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny Jeneraly Richard Ravalomanana... ♦ Kendrena ho vita amin'ny volana febroary amin'ny taona ho avy ny dingana voalohany amin'ny fitaterana an-tariby amin'ny zotra Anosy hatreny amin'ny Gara Soarano... ♦ Ampy hiatrehana ny maisto ahitra ny tahirin'ireo sakafo ilaina amin'ny fiainana andavanandro eto amintsika...
♦ Nanainga ireo pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Arseveka, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hikolo ny asa pastôraly sy hanatanteraka izany an-kafaliana... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, ny Sampan-draharaha momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon'ny Fiketrahana Masina, noho ny fahalasanan'i Mgr Antoine Slavatore Scopelliti... ♦ Nanatanteraka famangiana any amin'ny Arsidiôsezy Atsimo Atsinanana, ny mpandrindra fikambanana vondron'ny Tokantrano Kristianina nasiônaly...
Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.
♦ Hijoro hanohana ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, ireo antoko sy vondron'antoko izay nanao fanambarana teny Ilafy, ny maraina teo... ♦ Ain-dehiben'ny firenena ny Fadintseranana, ka tsy mety raha atao takalon'aina amin'ny tsy fitovian-kevitra ara-pôlitika, hoy ny Tale Jeneralin'ny Fadintseranana... ♦ Manamarika amin'ny fomba ôfisialy ny Androm-pirenena ho an'ny Varika ao amin'ny faritra arovana Maromizaha, i Madagasaikara anio...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco