Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)

Fantatsika fa ny zava-drehetra dia entin’Andriamanitra hanasoa izay tia Azy.

Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy azo lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Fantatsika koa
fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny
hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 12, 4-5. 6

Matoky ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Jereo! Valio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Hazavao maso, ndrao renoky ny fahafatesana;
ndrao ataom-pahavalo hoe: Resy terý!
na hifalian-drafilahy fa mihontsina!

Matoky ny hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa nataonao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)

Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro
ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.
Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe:

“Tompoko,
moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?”

Ka hoy Izy tamin’ny olona:

“Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety;
fa lazaiko aminareo
fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano
no tavela any alatrano ianareo
ka handondòna ny varavarana hanao hoe:

‘Tompoko, vohay izahay’,

dia hovaliany hoe:

‘Tsy fantatro izay niavianareo.’

Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe:

‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay,
ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo;
mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’

Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify
rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra
i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra,
fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana,
ary avy any Avaratra sy Atsimo,
hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary indro hisy farany izay ho voalohany,
ary hisy voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny "SLAM" dia avy amin'ny teny angilsy hoe " to slam (the door)", izay midika hoe "manakarapoka, manakatona mafy (ny varavarana)". Iray amin'ny karazana zava-kanto vita amin'ny teny ny Slam ; karazana tononkalo, am-bava kokoa anefa satria tononina. Mifanakaikikaiky amin'ny poezia miandany (poésie engagée) ny slam. Tany antenan'ny taompolo 80 no teraka tao Chicago (Etazonia) ny "slam" izay antsoina ihany koa slam poésie, avy amin'ny fifaninanana antsan-tononkalo izay tetik'asa noforonin'ilay Amerikana antsoina hoe Marc Smith. Ny taona 2002 no nidirany taty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, niainga tao La Réunion, Maurice ary tonga teto Madagasikara...

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 18-25)

Indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
ataoko fa ny fahorian’izao fiainana izao
dia tsy azo oharina amin’ny voninahitra ho avy izay haseho amintsika.
Fa indrakindrafana be ihany ny zava-boaary rehetra
miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra;
satria izao zava-boaary rehetra izao
dia natao mpanompo ny zava-poana, tsy araka ny nahiny,
fa noho Ilay nampanompo azy,
nefa nahazo fanantenana fa izy aza dia hoalàna amin’ny fanandevozam-pahalovana
ho amin’ny fahafahana amam-boninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.
Fa fantatsika fa, mandraka ankehitriny,
dia miara-misento sy mijaly toy ny mihetsi-jaza izao zava-boaary rehetra izao.
Ary tsy izy ihany,
fa na isika efa manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy koa aza,
dia misento ao anatintsika ao,
miandry ny fananganan-janaka amam-panavotana ny vatantsika.
Fa vao amin’ny fanantenana fotsiny no nahavoavonjy antsika.
Ary ny mahita izay antenaina,
dia tsy mba manantena intsony,
fa efa hitany ka ahoana indray no hanantenany?
Fa raha ny tsy hita no antenaintsika,
dia miandry amim-paharetana isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay.

Raha nampody ny babo tamin’i Siôna ny Tompo,
dia ohatra nanonofy izahay!
Tonga feno hehy ny vavanay;
feno hira ny lelanay!

Tamin’izay ireo firenena nitakoritsika hoe:
Lalina itý nataon’ny Tompo taminy!
Lalina tokoa ny nataon’ny Tompo taminay:
ka faly moa izahay!

Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay,
toy ny ranotrambo any Atsimo!
Izay mamafy amin-dranomaso, no mijinja amin-kira.

Eny tokoa, raha mandroso no tomany
manipy ny voa.
Fa nony miverina, velona akora
milanja ny vokatra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)

Ny voan-tsinapy nambolena tonga hazo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny hoe:

“Ny inona no tahaka ny fanjakan’Andriamanitra,
ary ny inona no hanoharako azy?
Tahaka ny voan-tsinapy izy
izay nalain’ny olona ka namboleny tamin’ny tanimboliny,
dia nitombo ka tonga hazo,
ary nitoeran’ny voromanidina ny rantsany.”

Dia hoy indray Izy:

“Inona no hanoharako ny fanjakan’Andriamanitra?
Tahaka ny lalivay izay nalain’ny vehivavy anankiray izy,
ka nampifangaroiny tamin’ny lafarinina intelon’ny famarana
mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 12-17)

Fanahim-pananganan-janaka no noraisinareo, ka iantsoantsika hoe Abà! Ray!

Ry kristianina havana,
tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.
Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty;
fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo,
dia ho velona ianareo;
satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra
dia zanak’Andriamanitra.
Ary izany tokoa,
satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo,
ka hatahotra indray ianareo,
fa Fanahim-pananganan-janaka,
ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray!
Ary ny tenan’io Fanahy io ihany
no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika
fa zanak’Andriamanitra isika.
Ary raha zanaka dia mpandova,
eny, sady mpandova an’Andriamanitra
no mpiray lova amin’i Kristy,
raha miara-mijaly aminy anefa isika,
mba hiara-komem-boninahitra aminy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 67, 2 sy 4. 6-7ab. 20-21

Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika.

Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony;
mandositra eo anoloany ny mpankahala.
Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra,
mifaly, miravo sy mirobiroby.

Izy Ilay Rain’ny kamboty, mpanome rariny ny mpananotena,
Andriamanitra ao amin’ny toerany masina,
mampitoetra an-trano ny tokan-tena,
mamoaka ny babo voagadra.

Isaorana ny Tompo isan’andro isan’andro:
ilay Andriamanitra Mpamonjy nitrotro antsika,
Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika;
Tompo mahala amin’ny fahafatesana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 10-17)

Itý zanakavavin’i Abrahama itý ve tsy tokony hovahana ny fatorany amin’ny andro Sabata?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata,
ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony
hatramin’ny valo ambin’ny folo taona,
ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy.
Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy
ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, afaka ny aretinao.”

Dia nametrahany tanana izy,
ka nitraka niaraka tamin’izay,
sy nankalaza an’Andriamanitra.
Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga
noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata,
ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Henemana no andro azo iasana
ka tongava hositranina amin’ireo ianareo,
fa aza amin’ny andro Sabata.”

Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy:

“Ry mpihatsaravelatsihy,
moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany
hiala amin’ny tranony avy ianareo,
ka mitondra azy hisotro rano
na dia Sabata aza ny andro?
Ary itý zanakavavin’i Abrahama
izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve
tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany
amin’ny andro Sabata?”

Tamin’izy niteny izany,
izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana,
fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly
noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...