♦ Miainga any ny hetsika fanombohana ny fanaovana ho biometrique ny mombamomba ny olom-pirenena. Hetsika tanterahin'ny Ministeran'ny Atitany, ka efa nisy ny fanentanana ny olom-pirenena hanoratra anarana ho amin'izany... ♦ Efa nanafatra vaksiny fanefitry ny MPox ny Fanjakàna Malagasy, iadiana amin'ity aretina ity. Ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo marefo no hisitraka izany voaloha, hoy ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka omaly... ♦ Mbola afaka hisitraka ny AGOA i Madagasikara. Nankatoavin'ny Kongresy amerikanina ny volavolan-dalàna fanitarana 3 taona io fandaharan'asa io, ho an'ireo firenena afrikanina mahafeno fepetra aty atsimon'i Sahara...
Andriandramaka dia malagasy voalohany nandranto fianarana tany ivelany, ary ihany koa malagasy voalohany natao batemy. Ny Mpanjaka Tsiambany no rain'i Andriandramaka, nanjaka tao amin'ny nosy Fanjaira, Taolagnaro. Andriandramako dia zanaka lahiaivo, nalain'ny mpanjanaka Portugais am-pitaka ary nentiny nandranto fianarana tany Goa-Inde noho ny fifanarahana ara-taratasy nataon'ny rainy sy ilay Kapitenin-tsambo Paolo Rodriguez. Telo taona no faharetan'ny fianarana nataon'Andriandramaka tany Inde...
♦ Mitaraina ho marary indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga amin'ny fidirany am-ponja atsy amin'ny Nosy Maorisy. Nampita vaovao momba izany tamin'ny Fitsaràna Bail and Remand Court, omaly, ny mpisolovava azy... ♦ Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatakandro an-dRamatoa Marie Michèlle Sahondraharimalala ny fikambanam-behivavy mpanohana azy. Valo andro omaly no nitazonana azy... ♦ Nisy trangan'aretina nendran-drajako 8 hafa indray hita, raha ny tarehimarika farany navoaky ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Tafakatra 207 hatramin'izao ireo tranga MPOX misy eto Madagasikara...
♦ Nankalaza ny andron'ny manamboninahitra ny tafika Malagasy androany, ho fanomezam-boninahitra ny soatoavina sy ny fomba amam-panao ara-miaramila, natao hanamafisana ny firahalahiana sy ny firaisan-kina eo amin'izy ireo... ♦ Mitaky ny hamoahana ny Ministry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, sady solombavambahoaka Sahondraharimalala Marie Michèlle ny fikambanam-behivavy miara-dia sy manohana azy... ♦ Miara-miasa sy manohana ny mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny Hopitaly Anosiala ankehitriny ny iraka mpitsabo Sinoa ; manoloana ny ady amin'ny fiparitahan'ny valan'aretina MPOX...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco