• Hotrandrahana manokana amin'ny Voatra andiany faha-12, sy ny andro natokana ho an'ireo mpandraharaha marokanina, ny tsena any amin'ity firenena ity... • Iharan'ny tsindry samihafa ny Inspecteur an'ny fadintseranana eo am-panatanterahana ny asany, misy ny tsindry ara-moraly, ara-materialy sy ara-politika... • Mpiofana 50 mianadahy, no nahavita fiofanana araka asa teo anivon'ny Ivotoeram-piofanana FMA Ampasanimalo, tanatanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice...

• Enim-bolana aty aoriana, efa manomboka very sahady ny tombony kely tamin'ny fahafahana maneho hevitra, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar... • Alefan'ireo tantsaha amin'ny vidiny mora ny vary akotry any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny. 60.000 Ariary ny iray gony amin'izany, izay ahiana hiteraka olana ho an'ireo tantsaha... • Ilaina ny fanavaozana ny rafitra fandalinana ny toekarena mba hifanaraka amin'ny zava-misy ankehitirny, araka ny resaka nifanaovan'ny mpitantan-draharahan'i FMI, tamin'ny Minisitry ny Toekarena Malagasy, manoloana ny fiantraikan'ny krizin-tsolika...

Nisy ny fampidirana karazam-baksiny vaovao tsy mbola nahazatra ny olona teto Madagasikara tato anatin'ny taona vitsivitsy izay : fiarovana ny Covid-19, ny M-Pox ary ny fiarovana amin'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza ; tsy mandà ireny ny EKAR satria zo sy safidin'ny olona tsirairay ny hanao na tsia ireny. Mandrisika ny tompon'andraikitra mba hampitombo ny fampahalalana ny mikasika ireny vaksiny ireny, mba hampisava ny ahiahin'ny vahoaka. Ny filàna fanazavana dia ny tompon'andraikitra ara-pitsaboana sy fahasalamana rehetra no mamaha azy, fa ny safidy dia  an'ny tsirairay.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

• Voasambotra ary nalefa eny amin'ny fonjabe eny Tsiafahy ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy. Efa nisy teratany vahiny sy Malagasy miisa 4 nosamborina koa afaka omaly, ka nahafahana nanao ny fanarahan-dia ny Kolonely... • Mpiasa telo eo anivon'ny Kaominina Antananarivo no voatazona eny Fiadanana, efa 14 andro izao. Tsy fantatra mazava ny antony nisamborana azy ireo, raha ny tatitry ny Sendika Mahalaeotenan'ny Mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra... • Mizarazara ny hevitry ny mpiasa sy ny olom-boafidy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manoloana ny fanendrena ny PDS vaovao, izay avy amin'ny antoko TIM...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...