♦ Hifantoka amin'ny akon'ny Visite Ad Limina, izay notanterahan'ny Evekan'i Madagasikara any Rôma, ny vaovao... ♦ Singa iray ilaina amin'ny fandanjalanjana, ny fangetanana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy andiany fahafito, momba ny fandanjalanjana tamin'ny alarobia lasa teo... ♦ Mahatratra 5363 ny isan'ny Eveka maneran-tany, araka ny fanisana nataon'ny Agence Fides, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fampielezam-pinoana, ny 23 ôktôbra 2022...
28 ôktôbra — Ankalazaina miaraka ny fetin'ireto Apôstôly ireto noho izy ireo niara-niasa tamin'ny fampibebahana ireo jentily. Avy any Canaan i Simon ary nomena anaram-bositra hoe "cananéen" mba hanavahana azy amin'i Simon Pierre. I Jude indray dia rahalahin'i Jacques sy i Siméon, ilay eveka tao Jerosalema.
27 ôktôbra — Vehivavy masina niditra ho relijiozy tao amin'ny fikambanana Cistercien tao Boulancourt tao amin'ny diôsezin'i Troyes tany Champagne i Émeline. Tany amin'ny taonjato faharoa ambin'ny folo tany izy no niaina. Io trano fitokana-monina io dia fanta-daza tokoa tamin'izany fotoana izany.
26 ôktôbra — Avy any antioche i Evariste, ary jody ny rainy. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nibebahany ho kristianina, sy ny hoe ahoana no nahatongavany tao Roma. Ny fantatra dia hoe pretra izy, ary nanohana ny mpino krisitianina tamin'ny oha-piainana sy ny fitiava-namana ary torolalana samihafa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco