27 septambra — Teraka ny 24 aprily 1581 tao amin’ny tanana kely ao Landes antsoina hoe Pouy i Vincent de Paul. Fianakaviana tantsaha manetry tena no nipoirany, mpiandry kisoa no asany tamin’ny fahatanorany. Nanapa-kevitra ny hanao pretra izy ka nanohy ny fianarana tany Dax sy tany Toulouse teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany.
♦ Any amin'ny Diôsezin'i Mananjary indray no hotontosaina ny Andron'ny Lahika, amin'ny taona 2023... ♦ Ezaka ataon'ny Lahika tsirairay avy ny ho tonga fanasina, hanome tsiro mahavelona ny fiainana andavanandro, hoy ny hafatry ny Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka Misahana ny Asa fanirahana ataon'ny Lahika, Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Zanaky ny Fiangonana miisa 677 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, teny amin'ny kianjan'ny Kôlejy Masina Misely Amparibe...
26 septambra — Teraka tamin’ny taonjato fahatelo tany Arabie tany Cilicie i Côme sy i Damien. Kristianina ny reniny. Voalaza fa kambana izy miralahy ireto. Manana zandry telo mirahalahy ihany koa izy. Nandalina momba ny fitsaboana tany Syrie i Côme sy i Damien.
25 septambra — Teraka ny 13 jolay 1013 avy amin’ny taranak’andriana tao Souabe i Hermann. Comte tao Altshausen ny rainy. Vao teraka izy dia voan’ny lefakozatra ka nahatonga ny anarany amin’ny teny latinina hoe “Contractus”. Tsy afaka namindra izy ary sarotra ho azy ny miteny.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco