17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.

♦ Hotanterahana ny 24 sy 25 septambra 2022 any Ambatondrazaka ny Andro Nasiônaly ho an'ny Lahika... ♦ Mitondra aim-panahy sy fisokafana ho an'ny tanora ny fiatrehana ny JMJ Mada... ♦ Manentana ireo Trapista hiroso amin'ny lalina amin'ny fihainoana ny fanirian'i Kristy, ny Papa François...

16 septambra — I Masindahy Corneille dia zanak’i Castinus, fanta-daza tao Roma ny fianakaviana nipoiran’i Corneille. Tao aorian’ny nahafatesan’i papa Fabien ny 20 janoary 250 dia voafidy ho papa i Corneille, dimy ambin’ny folo volana tao aorian’io nahalasanan’ny papa Fabien io. Izany hoe ny taona 251.

Ny fahefana anaty dia ilay fanahy endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona. Raha iainana io fahefana anaty io dia hiova tanteraka ny fiainan'ny tsirairay. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...