10 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)
♦ Tongotra mby an-dakana ny an'ny CENI, fa hanomboka rahampitso ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena, fiodinana voalohany... ♦ Nanohy ny hetsi-pitakiana teny Itaosy, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano, ny vondron'ireo kandidà 11 androany. Hitsabo tena any ivelany kosa ny kandidà laharana faha-7, Andry Raobelina... ♦ Nisokatra androany ny fankalazan'ny Réseau SOA ny faha-20 taona nijoroany. Nanokatra izany tamin'ny fomba ôfisialy, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy...
♦ Sampan’asa iray misahana ny fanohanana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny sampan’asa fampielezana ny finoana… ♦ Napetraka tamin’ny fomba ofisialy omaly ireo masera avy amin’ny fikambanana “Petites Sœurs du Sacré-Cœur de Jésus”, izay hiasa ao amin’ny Distrika Antsapanana… ♦ Mila volena ao anatintsika ny toe-tsaina mahay mankasitraka an’Andrimanitra, hoy ny antson’ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angélus…
♦ Nanomboka ny hetsika diabe am-pilaminana teny Itaosy indray androany ny vondron'ireo kandidà ho filoham-pirenena... ♦ Namoaka fanambarana fanairana mitaky ny tsy hanaovana ny rafi-pitsarana entina hanaovana ramatahora ary ny tsy hisian'ny tsindry na avy aiza na avy aiza ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na ny SMM... ♦ Mbola tsy nisy hatramin'izao ny fanambarana amin'ny tsy handraisan'ny vondron'ny kandidà amin'ny fifidianana afaka iray volana, hoy ny filohan'ny CENI... ♦ Manao ranolava ny fanambarana fanamelohana avy amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny tranga tany Israely...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco