12 septambra — Ny fankalazana ny fetin’ny anara-masin’i Maria Virjiny dia avy any amin’ny tanana iray tao Espagne, Nouvelle Castille. Tany amin’ny taona 1513 tany no nipoiran’izy io voalohany. Nofoanan’ny papa Pie V izy io tamin’ny taona 1570 ary naverin’ny papa Sixte V ka nataony ny 17 septambra ny fankalazana.

11 septambra — Zafikelin’i Romaric i Adelphe, niaina tamin’ny taonjato fahafito izy. Voatendry ho lehiben’ny trano tao Saint-Mont rehefa maty Habendi Castrum tamin’ny 03 desambra 653. Nandritra ny fito ambin’ny folo taona no nanaovany izany andraikitra izany. Naniry mafy ny hitokana any Luxeuil i Adelphe.

Olon'ny fihavanana sy mpanasoa ny mpiara-belona i Mgr Philippe Ranaivomanana. Tia sy nahay nifandray aman'olona izy. Laharam-pahamehana ho azy ny fampivelarana ny talentan'ny hafa. Toetra nanahafany an'i Jesoa Kristy ilay narahiny ireo, izay nahafoy ny ainy mba hanavotra ny olombelona. Fahatsiarovana an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe, nodimandry ny 06 septambra 2022.

10 septambra — Teraka tao Avrenche i Aubert zanak’olona fanta-daza tao izy io. Rehefa nozarainy tamin’ny mahantra sy ny relijiozy ny lovany dia nandray ny sakramentan’ny filaharana izy ary voafidy ho eveka faha-12 fantatra anarana tao Avranches.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...