04 septambra — Teraka tamin’ny taona 1140 i Rosalie, tompomenakely tamin’ny fotoana nanjakan’i Guillaume I ny rainy, taranak’i Charlemegne izy io. Ho fankasitrahan’ny mpanjakavavy Marguerite, vadin’i Guillaume dia nanolotra tany tao an-tendrombohitr’i Pellegrino akaik’i Palerme izy.

03 septambra — Tokony ho tamin’ny taona 540 no teraka tao Roma i Grégoire, andriana ny fianakaviany, zafiafin’ny papa Felix III izy. I Gordien sy Sylvie no ray aman-dreniny ary mpitoka-monina ny anabavin-drainy, toa an-dry Tharsule sy ry Emilienne izany.

♦ Efa ao anatin'ny fiatrehana tanteraka ny JMJ Mada X, ireo tanora rehetra manerana an'i Madagasikara, any amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Maro ireo fandaharam-potoana efa natrehan'izy ireo. Entina amintsika ny andinindininy... ♦ Tamin'ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2022 no nanatanteraka ny Zaikabe iraisam-pirenena faha-8 ny Fikambanan'ny Mpitantana sy Mpiasa mandinika ny Baiboly, tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...

02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...