Maro ny tanora tsy mahafantatra ny ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo atao hoe : IST kanefa mitombo be ireo fahazoana ny otrik'aretina mahatonga azy ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo anefa satria maro be ny voka-dratsiny ara-pahasalamana sy ara-pitondrantena sy ara-panahy... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

♦ Nandray fepetra manokana ka nanamora ny fahafahan'ireo kandidà mampiasa angindimby amin'izao fifidianana izao ny eo anivon'ny ACM... ♦ Efa fitsapan-kery no misy eto amin'ny firenena fa tsy firesahana lalàna intsony, hoy ny mpamakafaka pôlitika, Toavina Ralambomahay... ♦ Mbola miato ny fampianarana sy ny fikarohana eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo sy ireo Foibem-pikarohana Nasiônaly, ary tsy misy hatramin'ny famoahana voka-panadinana, hoy ny teo anivon'ny SECES...

Eo anatrehan'ireo zava-baovao "res novae" tsy mifanentana eo amin'ny tontolon'ny asa, ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy dia manafatra ny mba hisorohana ny hadisoan-kevitra fa ireo fiovana ireO dia lahatra tsy azo ihodivirana. Manazava ny sain'ny besinimaro ny Eglizy fa tokony loha-laharana ny lafin'ny asa maha tompon'antoka ny olona satria ny asan'olombelona dia antso. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

29 septambra 2023 — Masina Misely sy Gabriely ary Rafaely, Arkanjely — Fankalazana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 47-51)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...