♦ Pretra 15 sy diakra 16 no nohamasinina nandritra ny Andron'ny Diôsezin'Antananarivo, ny 27 aogositra 2022... ♦ Hanao fanomanam-panahy ao Ifanadiana, ny tanoran'ny Diôsezin'i Mananjary, ny 30 aogositra, hamonjy ny JMJ Mada X... ♦ Tao Ambilobe no nakalazana ny Sorona Masina fanirahana ny tanoran'Antsiranana ho any Antsirabe... ♦ Aoka mba no renivohitry ny famelan-keloka i Aquila, hoy ny Papa François...

29 aogositra — I Masindahy Joany Batista ilay resahana eto dia ilay mpialoha lalana sy nanao batemy an’i Jesoa. Raha iverenantsika kely ny fiainan’ity olomasina ity satria efa nisy fotana niresahantsika azy tamin’ny volana jona dia zanak’i Zacharie sy Elizabeth izy.

28 aogositra — Teraka ny 13 novambra 354 tao Thagaste, ao Afrika Avaratra, i Aurélien Augustin. Patricius no rainy, ary Monique izay tsaroantsika ny 27 aogositra no reniny. Io reniny io ny nanabe azy tamin’ny fanabeazana kristianina.

27 aogositra — Teraka tao Thagaste tamin’ny taona 331 i Masimbavy Monique. I Thagaste moa dia ilay antsoina hoe Souk Ahras ao Algerie amin’izao fotoana izao. Ary nodimandry tao Ostie i Monique ny taona 390.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...