♦ Tafakatra 19 isa, hatramin'ny 11 ora atoandro teo, ny isan'ireo nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena eny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenena... ♦ Hijery akaiky ny raharaha ara-potolitka eto Madagasikara indray, manomboka izao, ny eo anivon'ny OIF taorian'ny fanaraha-maso ny fanomanana ny fifidianana izay nataon'ny iraka manokana. Azo antoka hanatanterahana ny fifidianana hoy izy ny lisitry ny mpifidy... ♦ Mihena hatrany amin'ny 98% manomboka izao ny hetra haloa eny amin'ny fadin-tseranana rehefa hanondrana entana any Chine ny mpandraharaha Malagasy... * Lasibatry ny fandalovan'ny rivodoza indray i Bresil. Miisa 21 hatramin'izao ny voamarina fa namoy ny ainy...
Ny toetsaina mifaninana mifampitaha dia efa nisy hatramin'izay ary nivoatra tsikelikaly. Ny fifaninana dia efa voajanahary mba hahafahana mandroso amin'ny dingam-piainana tsara kokoa. Amin'ny maha olombelona antsika dia nampiasa saina isika mba hafahantsika mandalina kokoa ny mikasika ny fifaninanana sy ny fifampitahana. Misy olona enefa tsy afaka ny hifaninana sy hifampitaha noho ny tsy fitovian'ny niaingana (ara-batana, fananana, fanabeazana, sehatra iainana...). Ny toe-tsaina mifaninana sy mifampitaha dia tsy azo hirobohana tsy ampy fiheverana fa mila fandanjalànjana fepetra maromaro, tokony olona mitovitovy no mifaninana amin'ny lafin-javatra maro.
♦ Hifarana anio hariva amin'ny 6 ora ny fahafaha-manatitra ny antotan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena, hivoaka amin'ny sabotsy izao ny lisitr'ireo kandidà nahafeno ny fepetra, ho fidiana amin'ny 9 novambra 2023... ♦ Miisa 17 ny kandidà nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC hatramin'ny omaly hariva...♦ Tokony hotohizana ny sa vitan'ny filoha Andry Rajoelina tao anatin'ny fe-potoam-piasana voalohany iny hoy ny antoko TGV, ka miantso azy ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny faha 9 novambra ho avy izao ny mpikambana, araka ny fehin-kevitra tamin'ny famaranana ny kôngresin'ny antoko omaly...
Adidin'ny Fanjakàna ny manohana ny orinasa osa ; ohatra amin'ny lafiny fitaterana. Fitsinjovan'ny Fanjakàna ny vahoaka ny fanohanana ny orinasa. Misy ny fifanekena mitandro ny zo hanana asa, fiaraha-miasa iraisam-pirenena. Anatin'ny fifanekena no hametrahana ny fanajana ny zo sy ny hasina ary ny rariny ho an'ny mpiasa sy ny mpampiasa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco