14 jolay — Teraka ny taona 1550 tao Bucchianico i Camille. Mbola kely izy dia maty ny reniny ary tsy dia nisy niraharaha loatra ny fanabeazana azy. Nilatsaka ho miaramila tao amin’ny tafika tao Venise izy avy eo tao Naples. Nanamarika ny fiainan’i Camille ny fitiavany lalao ka mahavery ireo fitaovany sy ny fitaova-piadiana tany aminy.
13 jolay — I Henri dia teraka tamin’ny taona 973 tao Abbach tamin’ny fotoana nahalasanan’i dadatoany Othon le Grand mpanorina Saint-Empire Romain Germanique. Lahy matoa amin’ny zaza efatra naterak’i Henri le Querelleur, duc de Bavière sy i Gisèle de Bourgogne vehivavy hendry sy tia vavaka.
12 jolay — I Jean Gualbert dia miaramila avy any Toscane nibebaka ho kristianina izy teo ampahitana ilay olona namono ny rahalahiny nandoalika teo an-tongony sy nitalaho ny ny famindram-pony ary nanankina ny fanahiny tamin’Andriamanitra. Teraka ny 995 izy.
12 jolay — I Masindahy Olivier Plunkett dia Irlandais izy io, teraka ny taona 1629. Nahazo fanabeazana tsara tao amin’ny trano fitokana-monina tao Sainte Marie Dublin izy ary nisy fianakaviany ihany koa lehibe tao amin’izany trano fitokana-monina izany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco