• Tsy azo iverenana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, izay milaza fa manohy ny asany avokoa ny Andrim-panjakana rehetra. Fitadiavan-tseza fotsiny ny an'ireo antoko politika mitaky ny handravana ny Andrim-panjakana rehetra misy ankehitriny, hoy ireo Loholona sy Solombavam-bahoaka... • Tsy mbola fotoana handraisana fanapahan-kevitra ny hamerenana ny Nosy manodidina izao, fa miandry izay Filoha vaovao voafidim-bahoaka, afaka taona vitsivitsy, raha ny namabran'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko... • Tokony hahitsy amini'zao fotoanan'ny fanavaozana izao, ny lalana mifehy ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa eto amintsika, hoy ny PMH, Mpanjifa Miray Hina...

♦ Fiatrehana ny fetin'ny Noely : Miova kely amin'ny andavanandro, mirona kokoa amin'ny akoho amam-borona amin'ny safidy amin'ny laoka ny fianakaviana raha ny fanadihadiana natao... ♦ Hiasa hatramin'ny 10 ora alina ireo fiara fitanteram-bahoaka ao Antananarivo-renivohitra mivondrona eo anivon'ny UCTU amin'izao fety izao hoy ny filohany... ♦ Tsy tokony hisy ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo renivohitra sy ny manodidina mandritry ny fety mitohy hatrany mantsy ny asa famatsiana rano ataon'ireo fiara vaventy hoy ny JIRAMA... ♦ Mangataka ny mba hampitsaharana ny ady mandritry ny fetin'ny Noely ny Ray Masina Léon XIV...

Noho ny adidy sy andraikitra lehibe eo anoloan'ny reny dia maro ny tantsoroka ho an'ireo reny sy ireo ho reny, avy amin'ireo manana traikefa sy ireo mpahay toetr'olona. Ny reny dia manana filàna toa ny olona rehetra, manana zo amin'ny fialamboly. Manana adidy hizara izay handram-piainana efa niainany ny reny ho an'ny zanaka vavy sy ny tanora. ... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Tontosa omaly hariva ny fianianan'ireo mpanolotsaina ambony telo vaovao eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Voafaritry ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka ny fanaovana fisavana trano (perquisition), handraisana fepetra ary melohiny ny fanaovana izany tsy mifanaraka amin'ny lalàna... ♦ Hitohy anio ny fandinihan'ny Fitsaràna atsy Maorisy ny momba ilay fangatahana fahafahana vonjimaika nataon'ilay mpandraharaha Malagasy Maminiaina Ravatomanga... ♦ Montréal Canada : Andian-dehilahy nisalotra ankanjonà dada noely sy ireny lutins ireny no nanafika tao aminà tranombarotra lehibe, nangalatra sakafo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...