♦ Ankizy avy amin'ny Diôsezy 22, manodidina 15.000 no miatrika ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, tanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nanomboka omaly hatramin'ny alahady ho avy izao... ♦ Mangataka vavaka ho an'ny tanora maneran-tany ny Papa François, mandritra io volana aogositra ho avy io... ♦ "Araraoty hananganana ny ho avy ny hatanorana", hoy ihany Papa François amin'ny hafatra nomeny ireo tanora izay manatanteraka fihaonana hatramin'ny alahady izao, ao amin'ny "Sanctuaire de Medjugorje" any Bosnie-Herégovine...

Resy lahatra amin'ny maha zava-hehibe ny famokarana ara-biôlôjia, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny fikambanana Tsiky Tsika, ato amin'ny Faritra Analamanga. Isan'izany Rabadaoro Tsimatahomanana, monina ao amin'ny Fokontany Soanavela, Kaominina Fihaonana, Disitrikan'Ankazobe.

♦ Nisokatra omaly alakamisy ny Fihaonamben'ny Tanora Eran-tany, ho an'ny Diôsezin'i Algarve any Portugal, izay mampiantrano ny delegasiôna malagasy... ♦ Miahiahy ny amin'ny fampidirana anarana vaovao ao anatin'ny lisi-pifidianana, Andrimatoa Paraina Auguste. Izy izay efa nanambara ny maha kandidà azy amin'ny fifidiana izay ho Filoham-pirenena amin'ity taona ity... ♦ Tsy mankasitraka loatra ny hitsabahan'ny vondrona SADEC amin'ny raharaham-pirenen'i Madagasikara ny antoko TGV, hoy ny mpikambana ao amin'ny Birao Pôlitika, Andriamananoro Augustin...

♦ Andro faharoa amin'ny Fihaonambem-pirenen'ny Ankizy ny anio. Tsy manadino azy ireo ny Fivondronamben'ny Eveka, araka ny hafatra nampitaina nandritra ny Sorona Masina fanokafana omaly... ♦ Mampirisika ireo maniry ny ho kandidà amin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena, hanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, ny Filohan'ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo... ♦ Hiverina hiasa miandalana ny mpiasan'ny CNaPS. Izay no vokatry ny fihaonana teo amin'ny efa-tonta, nahitana ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sôsialy...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...