Nanamafy hatrany ny firaiketam-pony amin'ny fiahiana ny mpitsoa-ponenana sy ny fiarovana ny tontolo iainana i Papa François, taorian'ny vavaka Angélus notarihany teo amin'ny kianjan'i Masindahy Piera, omaly alahady.
Manohana hatrany ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny ranomasina i Papa François.
Ilaina ny fanomezana fanabeazana ny zanaka amin'ny fampafantarana azy ireo ny lafim-piainana. (17-06-2020)
Miha mahazo vahana any LIBAN ankehitriny ny krizy arat-toekarena sy ara-politika.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco