Vonona hatrany hanohana sy hikarakara ny marary sy ireo olona marefo ao amin’ny faritr’i GAZA ny CARITAS ao Jerosalema. Nanamafy izany ny tale mpanatanterak’io sampana mpanao asa soa io.
Feno 43 taona tamin'ny 28 mai teo ny nanamasinana ho Eveka ny Papa Emérite Benoît faha-16. Fanamasinana notanterahina tao amin'ny katedraly Notre-Dame de Munich any Allemagne.
Natokana ho androm-pivavahana sy fifadin-kanina ary fanaovana asa soa ny andron’ny 14 mai, araka ny tolokevitry ny »Haut Comité pour la Fraternité Humaine » ka nankatoavin’i Papa François.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco