♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE anio ireo mpianatra eo anivon'ny kilasy faha-5 eto Madagasikara. Maherin'ny 510.000 isa ireo mpiadina hiatrika izany manerana ny nosy... ♦ Mangataka ny Antenimieram-pirenena hanao latsa-bato fiampangàna ny filoham-pirenena ny Antoko Pôlitika Madio, manoloana ny fizakany ny zom-pirenena frantsay. Nanatitra taratasy mirakitra izany teny Tsimbazaza izy ireo omaly... ♦ Tafaverina eto Madagasikara ireo volamena 1,8 taonina navadika ho "Lingot d'or" tany ivelany. Hatao tahirim-bolamena eo anivon'ny Banky Foibe ireo volamena ireo ka sambany no manana isika...
Fitiavan'Andriamanitra sy fanehoany ny tenany sy ny asany ny fahariana ; mitory ny hatsarany tsy misy fetra. Ny fahariana dia famoronana niainga tamin'ny tsy misy, miampy fametrahana lamina ao amin'ireo ; tsy hoe rehefa nisy dia ampy fa nomena ilay lamina : hitomboan'ny taranaka, hifamelona. Miavaka ny fahariana ny olombelona fikasan'Andriamanitra manokana mihitsy, novolavolainy sy nomeny ny fofon'ainy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
20 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
♦ Hotanterahana rahampitso manerana ny nosy, ny fanadinam-panjakana CEPE. Ankoatra ireo mpiadina manana fahasembanana miisa 99, hisy koa ireo voafonja hanala fanadinana... ♦ Nametraka taratasy fiampangana ny Filohan'ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny Antoko Pôlitika Madio na APM... ♦ Notolorana vola volamena dimampolo Ariary androany, ny Filohan'ny Repoblika, nandritra ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Banky Foibe...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco