Tsy loza mitatao fa efa loza mihatra, mandoza, manimba eny amin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona ny fiparitahana sy ny firongatry ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Misy atsindrona, misy nyt fohana ary misy ny hohanina. Simba ny ati-doha sy ny taova maro hafa ao amin'ny vatana. Vetivety ny fiankinan-doha. Sarotra ary manahirana ny fialana aminy. Manana andraikitra isika olom-pirenena tsirairay na iza ianao na iza hiady amin'izany mba hananana taranaka sy firenena vanona.
Ny Soratra Masina dia mamporisika hatrany am-piandohana ny vahoaka Israely hahay hihaino an'Andriamanitra. Mihainoa ry Israely (Dt6, 4). Andriamanitra no niavian'ny olombelona ary nataony mitovy endrika aminy isika ka nataony hifankahazo, hifampiresaka ary hifampihaino. Fanehoana fiombonana ny fifampihainoana ary irian'ny jesoa ny hoe "mba ho iray izy rehetra...". Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB.
6 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 7-14)
♦ Tsy miova ny fenitry ny Fitsarana: mahaleo tena, mitsara ara-drariny, hoy ny Minisitry ny Fitsarana androany, raha naneho ny heviny mikasika ny raharahan-dRamatoa Raïssa... ♦ Nanokatra fanadihadiana momba ilay teratany vahiny, Dylan Thiry, ny Pôlisim-pirenena Malagasy. Niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera fa mikasa ny hanondrana zaza Malagasy izy... ♦ Hapetraka eo amin'ny tontolon'ny fandraharahana ny antsoina hoe SMAC, sehatra hifehezana ny ady amin'ny kolikoly, eo amin'ny lafiny fandraharahana. Isan'ireo teboka dimy lehibe nifaneken'ny GEM, ny FIMPAVA ary ny BIANCO izany androany...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco