14 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Madavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

♦ Notanterahana androany teny amin'ny EKAR Antanimena, ny Sorona Masina fitsofan-drano sy fanirahana an'i Mgr Rakotojaona Jean Nicolas, voatendry ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka androany ny andiany faharoa amin'ny fikaonan-doha eo amin'ny fanjakana sy ny mpandraharaha mpisehatra ara-pambolena, na ny Forum B2B. Mampiantrano fihaonana iraisam-pirenena avo lenta momba ny lalam-piariana cacao ihany koa i Madagasikara...

♦ Nomeloin'ny fitsaràna higadra an-tranomaizina 5 taona sazy mihatra, miampy onitra sy lamandy Andriamatoa Rasoamaharo. Nivoaka ny maraina teo ny didy momba ny raharaha hanenjehina ity mpitantana ny La Gazette de la Grande île ity... ♦ Manahy ny VAMI fa sao fandrebirebena tsy hampisy fifidianana amin'ity taona ity ny tsy hanitsian'ny fitondràna ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana. Tsy ho ampy hanomànana fifidianana tsara karakara ny teti-bola ao anatin'ny LFI hoy ity antoko ity...  ♦ Hifandona amin'i Ghana eny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny alahady izao ny Barean'i Madagasikara. Miatrika fampivondronana nanomboka omaly ireo mpilalao, izay efa eto an-toerana avokoa ny ankamaroany...

Ny atao hoe "Andravana" dia isan'ireo lahabolana amin'ny endrika hira. Ny "andravana" dia fanao amin'ny fotoana fiaretan-tory mandritra ny fiandrasam-paty. Ny "andravana" dia ny foko betsileo no tena manao azy ary amin'ny fotoanan'ny fahoriana ; misy karazana "andravana" ihany koa aty an-kibon'Imerina fa kosa , ity farany, dia hira fanaon'ireo havana na namana tavela an-tanàna, entina hirariana ny soa sy ny tsara ho an'ireo vatan-dahy lasa niantafika. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...