Manana  fifandraisana manokana   amin’Andriamanitra   isika  araka   ny  làlana   sy   ny traikefa ary ny sedra diavintsika tsirairay avy. Manana drafi-pitiavana ho ahy eto an-tany   Andriamanitra,   tsy   misy   kisendrasendra   izany.   Ny   zava-drehetra   dia nalahatr’Andriamanitra avokoa, ary ny faniriany ho antsika dia ny fiainana anatin’ny fahafenoana. Miantso ny olombelona hitady Azy Andriamanitra, hahafantatra Azy sy ho tia   Azy.   Tanora   mandalo  sedra   sy   fitsapana   aho   fa   tsapako   “fa   sarobidy   eo imason’Andriamanitra aho ary tonga eto (an-tany) aho ho amin’ny iraka manokana anirahany ahy”. Fandaharana "miaina sy mitia"

♦ Ampanantsoina eny amin'ny IGE Antaninarenina anio, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha. Hanaovana fanadihadiana ao amin'ny biraon'ny Bianco Mahajanga kosa, amin'ny talata izao, Andriamatoa Ahmad, Filohan'ny CAF teo aloha... ♦ Hanomboka anio, any amin'ny Faritra Anosy, ny fikaonan-doha ara-bola isam-paritra, hakana ny soso-kevitra avy eny ifotony, entina hanomanana ny LFI 2024... ♦ Nijanona ho fandrahonana fotsiny kosa ny fitokonana saika hataon'ny fikambanan'ny mpitatitra amin'ny fiara vaventy, ATC. Nanapa-kevitra ny tsy hitokona indray mantsy izy ireo...

Maro ireo zavatra miseho eo amin'ny tontolo iainantsika manamaloka ny fihaonana amin'ny tsy fisokafana : ny fahadisoam-panantenana, ny tsy fifampitokisana afafin'ny fiaraha-monina ; ny akon'ny fifandraisana tsy mikolokolo ny fifampiresahana sy ny fiaraha-monina ; ny fanilikilihana ireo izay mila kolokoloina sy andrianina ; ny tsy fitovian-jo sy endrika vaovaon'ny fanandevozana. Katesizy momba ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina - SDB. 

28 aprily 2023 — Zoma, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 53-60)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...