Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra distrikan’Ambatofinandrahana....
• Miantso ireo mpitolona ho tony, ny tanora mpanao politika Nambinina Raheriarimanana. Nambarany fa tsy mbola tokony hanomezan-tsiny ny fitondrana vaovao ny tsy nahatontosan'ny fanovana tao anatin'ny roa volana... • Miakatra indray ny vidin-tsolika eto Madagasikara, nanomboka androany. Nahitana fisondrotany avokoa ireo karazan-tsolika fampiasan'ny mpanjifa, mandritra ity volana desambra ity... • Manaitra ny Fitsarana ny fikambanana FIVATO, amin'ny didy izay avoakany. Misy ireo olona tsy meloka nefa ampidirina am-ponja, amin'izao fotoana izao, hoy ny Firaisamonim-pirenena mpiaro ny zon'olombelona...
Ny fambolen-kazo maharitra dia miaro ny rano sy ny tany, mampihena hafanana, ary manome fiainana ho an'ny taranaka. Misy ireo paik'ady tena ilaina : fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin'ny faritra, fanomanana zana-kazo, fanamboarana lavaka misy zezika natoraly, ary tsy azo adinoina ny fanaraha-maso isam-bolana. Ny Bôndy amin'ny alalan'ny fiofanana sy fifampitokisana iarahany amin'ny Centre Arrupe dia manabe sy manentana amin'ny fambolen-kazo ho tombontso ho an'ny taranaka... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mandeha amin'ny toerana iray ny Kristiana mba hamonjy ny fiaraha-mivavaka hankalaza ny Eokaristia. Ny Tenan'i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben'ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny reheta amin'ny fankalazana : vaky teny, fizarana kôminio... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco