Satria ao anaty fiaraha-monina ny olona, ka ny soa ho an'ny tsirairay dia mifampiankina amin'ny soa iombonana. Antsoina hoe "soa iombonana" ny fepetra rehetra eo amin'ny fiaraha-monina ka manampy ny isam-batan'olona sy ny fikambanana manontolo hanatratra ny tanjony. Ho an'ny soa iombonana, ny manampahefana dia antsoina hanaja ny zo fototry ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alakamisy 2 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)
♦ Nandringa ny diplômasia malagasy, noho ny tsy fananan'i Madagasikara masoivoho tany ivelany, hoy ny Andrianjoany matihanina eo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny... ♦ Nifarana ny roa volana nampiharana ny fanalefahan-tsazy avy amin'ny Filohan'ny Repoblika. Nahitana fihenana hatrany amin'ny 26,36% ny isan'ireo voafonja manerana ny nosy... ♦ Tsy nahazo rariny teo anivon'ny Filankevi-panjakana indray androany, ny Mpanolotsaina monisipaly Clémence Raharinirina...
♦ Hatao ny ezaka rehetra, hahafantarana ny tena trosan'ny JIRAMA, hafahana mamaritra ny paikady hamafana izany, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo... ♦ Tokony mahazo sakafo ara-pahasalamana sy manaraka ny fenitra ny mpanjifa. Anton'ny sonia fifanarahana fiaraha-miasa, natao omaly, nifanovan'ny FAO sy ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana... ♦ Hiroso amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena isika amin'ity taona ity : manantena ny CNFM fa hiakatra ny tahan'ny vehivavy mandray anjara amin'izany, noho ny ezaka fanentanana ataon'izy ireo...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco