Jamoka no anarana niantsoana ny omby taloha ; ireo razamben'ny Malagasy "Vazimba" dia efa nihinana io biby io. ireo Aôstrôneziana tonga teto Madagasikara no tsy nihinana "omby", fa taty aoriana ny Malais dia nihinana tsikelikely?. Ny omby manga dia tsy misy ronono no sady tsy misy trafo. HELA - HENINA dia midika hoe "hena" amin'ny teny Aôstrôneziana. Ny HENA dia ilazana ny omby maty, ialàn'ny tongony sy ny rambony ary ny lohany. Omby vavy mainty na mena fa misy faritra fotsy @ lohany sy ny tongony aman-tanany miampy ny rambony no atao hoe omby volavita...

♦ Hampidirina am-ponja indray Andriamatoa Mamy Ravatomanga amin'ilay raharaha hanenjehin'ny fitsaràna azy atsy amin'ny Nosy Maorisy. Nivoaka omaly tolak'andro ny didim-pitsarana manapaka izany... ♦ Hidina ny saran'ny Internet eto Madagasikara amin'ity herinandro ity, araka ny fampahafantarana nataon'ny Ministeran'ny fifandraisan-davitra omaly. Nisy ny fifanarahana hita tamin'ireo orinasam-pifandraisan-davitra... ♦ Miakatra ny taha-pisian'ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara. Olona maherin'ny 50.000 no mitondra tsimok'aretina nefa tsy voatily, ary mamindra amin'ny hafa...

Ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy dia miankina amin'ny Eveka satria izy no mpisorombe. Asan'i Kristy manontolo ny Litorjia ary mandray anjara sy manaraka izany ny rantsana rehetra araka ny laharany avy, noho izany dia tsy azo ampiana araka izay itiavana azy ny Litorjia fa izay efa niainan'i Kristy azy no ezahin'ny Eglizy atao sy hampitaina amin'ny mpino... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

• Andrasana amin'ity herinandro ity ny hampidinan'ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fifandraisan-davitra ny saran'ny Internet... • Maherin'ny 5 alina ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA, nefa tsy voatily, hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Magnana Mounir androany... • Tsy manana olana eo amin'ny asa ny 80 %-n'ireo mpiofana nivoaka avy ao amin'ny sekolim-pirenena ENEAM...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...