♦ Vonona hitondra ireo porofo manamarina ny fisian'ny olona an-tapitrisany mitovy laharana kara-panondrom-pirenena tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2020, Andriamatoa Thierry Rakotonarivo... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimieran-doholona Anosikely, rahampitso alakamisy 4 desambra, ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna 2026 (PLFI)... ♦ Mpianatra miisa 30 no traboina tsy manan-kialofana vokatry ny fahamaizan'ny Bloc-92 teny amin'ny Cité ho an'ny mpianatra Ambohipo, miantso tolo-tanana hanarenana haingana ny trano fonenany izy ireo...

Miankina amin'ny Eveka ny andian'ondry any amin'ny Diôsezy, io moa no iraka napetraka taminy satria ny Eveka no mpiandriondry nanakinan'i Kristy ny ondriny. Vatan'i Kristy miray amin'ny filohany no miara-mankalaza ny Litorjia, ankohonan'Andriamanitra iray manontolo anefa ny vatan'i Kristy, noho izany tsy asan'olona iray ny Litorjia fa fankalazan'ny Eglizy ny sakramentan'ny fiombonana... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

• Namafisin'Andriamatoa Rakotonarivo Thierry, fa nisy ny anarana sy ny laharana karapanondro niverimberina tamin'ny lisi-pifidianana tamin'ny taona 2018, fony izy mbola Filoha Lefitry ny CENI... • Fandikana ny Lalam-panorenana, hoy ny Depiote mpanohitra, ny nambaran'ny Minisitry ny Fitsarana, ny amin'ny hamoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ny Filoha teo aloha, Andry Rajoelina... • Niaka-dapa teny Anosikely androany, ny mpikambana ao amin'ny Governemanta, namaly ny fanontanian'ny Loholona, nanazava ny tsara ho fantatra momba ny asa tanterahan'ny departemanta iadidiany avy...

♦ Mbola te hametraka foana ny fahefany eto Madagasikara i Lafrantsa hatramin'izao. Resaka tombontsoa no mbola mahatonga ny Frantsay misisika amin'ny raharahan'i Madagasikara hoy ny mpanao pôlitika iray... ♦ Natao fizahàm-pahasalamana ara-tsaina Andriamatoa Mamy Ravatomanga androany maraina, mialohan'ny hampidirana am-ponja azy indray... ♦ Mpiasa iray eo anivon'ny JIRAMA no tratra nanodinkodina ny volan'ny orinasa, taorian'ny fitsirihana natao. Voasazy hiasa an-tery vozona mandritra ny 5 taona, miampy fandoavana lamandy 40 tapitrisa ariary io mpiasa io... * Miha mahery vaika hatrany ny ady an-trano any Soudan, ankehitriny...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...