I Jesoa Kristy Tompo no maniraka antsika hitory ny Evanjely amin'ny olona rehetra. Midika izany fa mbola misy olona tsy mandre ny Evanjely. Ny hoe "mitory ny Evanjely" dia manambara amin'ny olona ny Zanak'Andriamanitra. Tsy mijanona eo amin'ny hoe miteny fotsiny,  fa ihany koa mitarika ny olona hahatsapa sy hiaina ny fitiavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Talata 31 janoary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 21-43)

♦ Ahiana hikatso noho ny fitakiana ny vacation, ny fampianarana eny amin'ny Lycée Nanisana. Manome 72 ora mba hanefana izany ireo mpampianatra, ary milaza ny hanamafy ny fitakiana ao aorian'io fe-potoana io... ♦ Niteraka savorovoro ny tsy firindran'ny fizarana fanampiana ho an'ireo traboina any Morondava... ♦ 2 hetsy sy 9 tapitrisa latsaka kely ireo olom-pirenena voasoratra anarana ao anatin'ny lisitry ny mpifidy, hatramin'ny androany...

♦ Efa nivoaka ankehitriny ny vavaka ho an'ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3, izay hotanterahana eto Antananarivo ny 27 hatramin'ny 30 jolay 2023... ♦ Notontosaina omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Gustavo Bombin Espino, izay nitantana ny Diôsezin'i Mahajanga tao anatin'ny efa-taona... ♦ Notanterahana omaly ny Eokaristia Masina ho fisaorana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, izay notendren'ny Papa François, ho mpiandry ondrin'ny Diôsezin'i Mahajanga...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...