Maro ireo revio sy gazety-boky miresaka sy mamoaka ny voka-pikarohana sy fandalinana samihafa momba ny fiaraha-monina. Inona no fiantraikan'ireny asa-soratra fanadihadiana sy lahatsora-pikarohana ireny eo amin'ny fiaraha-monina malagasy? Ny hamaly izany fanontaniana izany no hifantohan'ny Fandaharan'asa Fikarohana & Fikirakirana tahirin-kevitra mandritra ity enim-bolana faharoa ity. Santarina amin'ny fandaharana radio izany ary ho arahina famelaberan-kevitra. Tanjona ny fampifandraisana ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny gazety-boky, fifampitaizana manodidina ny fikarohana sy ny asa-soratra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagascar.
♦ Namaly ny tsikeran'ny Vondrona Eorôpeanina nihatra taminy, ireo mpikamban'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana omaly, momba ny lalana fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2023... ♦ Nandiso ny vaovao niparitaka momba ny maha tompon'antoka azy tamin'ny fanondranana volamena tratra tetsy Ivato, ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra... ♦ Miverina tsikelikely amin'ny teo aloha ny vidin'entana ilaina andavan'andro eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Tokony hisy fiantraikany eto Madagasikara ihany koa izany, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, omaly...
09 septambra — Teraka ny 26 jiona 1580 tao Verdú akaikin’i Alarida Espagne i Pierre Claver ary nodimandry ny 08 septambra 1654 tao Carthagène des Indes, Colombie. Marani-tsaina i Pierre Claver, nanao ny fianarany tao amin’ny zezoita izy talohan’ny faharoapolo taonany izay fotoana nidirany ny noviciat an’io fiakambanana io ihany tao Tarragone ny taona 1602.
Mampalahelo ny toe-javatra misy, satria ny vatan'ny olombelona sy ny fanahiny mihitsy no very hasina ary tsy misy lanjany intsony, lasa mijanona fotsiny ho fitaovam-pananahana tsy misy tanjona fa zary fitaovana entina mikaroka fahafinaretana sy harena fotsiny sisa ny vatan'ny olombelona miara-mitoetra ao amin'ny tokantrano iray. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco