♦ Tsy mitsahatra mamerina ny antso avo ho an'ny fitondram-panjakàna hanaiky hidinika amin'ny hery velona tsy ankanavaka hanavotana ny firenena ny RMDM. Fikaonandoham-pirenena no takiana fa tsy fikaonandohan'ny mpanohitra... ♦ Miandrandra fifidianana mangarahara sy andraisan'ny rehetra anjara ny vondrona eraopeana amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2023. Nanolotra ny taratasy manendry azy ho masoivohon'ny io vondrona io eto Madagasikara, Ramatoa Isabelle Delattre... ♦ Nanolotra vary 5.000 taonina ho an'ny malagasy ny fitondrana indiana. Ireo olona marefo sy ireo niharan'ny voka-dratsin'ny rivo-doza sy ny tondra-drano teto amintsika tamin'ity taona ity no hisitraka izany...
08 septambra — Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.
Ankehitriny, ny fanambadiana mamorona ny fianakaviana dia tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra intsony fa araka ny sitrapon'ny olombelona te hitovy indray amin'Andriamanitra. Ny fianakaviana tokony hanome taranaka noho fifankatiavan'ny mpivady dia lasa fiaraha-monin'ny fampanaranam-batana miaina eo ambonin'ny fitaka. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Alakamisy 8 septambra 2022 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Matio 1, 1-16. 18-23
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco