Alarobia 7 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 20-26
♦ Nodimandry androany maraina ny Evekan'Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana. Ny alakamisy tolakandro izao no hotanterahana ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy ny fanaovam-beloma azy... ♦ Tokony hisy fanadihadiana mahaleo tena hatao ao anatin'ny fotoana fohy ny raharaha tany Ikongo, hoy ny mpiandrariny miahy ny zon'ny vahoaka, Ratsirahonana Lala... ♦ Ivon'ny atrikasa notanterahan'ny OIT androany, ny momba ny dinika ara-tsosialy. Nandray anjara ny avy amin'ny Minisiteran'ny Asa, ny solontenan'ny mpampiasa ary ny sendikalista...
♦ Nodimandry androany maraina ny Evekan'Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana, noho ny tsy fahasalamàny ; araka ny fanambaràna navoakan'ny Fivondronamben'ny Eveka, manoloana izao voina mihatra izao... ♦ Naneho ny alahelony ny Federasiôna malagasin'ny baolina lavalava tamin'ny fanampiana ara-bola ny Maki Ladies hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany "rugby à 7". Tsy nahazo afa-tsy ny ampaha-efatry ny vola nangatahana, nentina nihazo an'i Cape-Town... ♦ Manahy mafy ireo mpitantana fa hihena be amin'ity taom-pianarana vaovao ity ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin'ny sekoly tsy miankina. Misy amin'izy ireo no nampihemotra ny fidirana, noho ny fisian'ireo mbola tsy niverina nisotra anarana...
Ny taona iray dia misy fizarana efatra teo amin'ny malagasy : lohataona, fahavaratra, fararano, ririnina. Ny lohataona dia maharitra roa volana : septambra hatramin'ny oktobra ; ny fahavaratra dia manomboka ny volana novambra hatramin'ny volana marsa. Ny vanim-potoana fararano dia manomboka ny volana aprily miefa jona eo ho eo ; aorian'izay ny ririnina hatramin'ny volana Aogositra. Ny voly vary no tena mampiavaka ny malagasy, izay maro karazana : vary vaky ambiaty, vary aloha na vary asara na jeby, vary vatomandry, dista, alikômbô... Maro ny voambolana fampiasa amin'ny mikasika ny voly vary : tranon'ondry, akoro, vakin-doha, fandravonana, miavo-ketsa, manetsa, manitatra ny vary, mpampilefa reny, mampandainga zaza...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco