31 aogositra — Filôzôfa grika tamin’ny taonjato faharoa i Aristide, mpanompy sampy izy io ary nonina tao Athènes. Nibebaka nanara-dia an’i Kristy izy araka ny fitantaran’i Eusèbe. Nanoratra apologie tany amin’ny amperora Hadrien i Aristide ka navoitrany tao ny vaovao entin’ny fivavahana amin’ny Kristy, dia ny hafatry ny fanantenana sy ny fitiavana.

Ny fanabeazana amin'ny sekoly katolika dia manana anjara toerana famolavolana ho amin'ny antson'Andrimanitra. Araka ny voalazan'ny Konsily : ny mpampianatra sy ireo manana andraikitra amin'ny fanabeazana dia aoka hiezaka hanampy ny zatovo, hamantatra ny fiantsoan'Andriamanitra. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alarobia 31 aogositra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 38-44

♦ Fifandonan'ny mpitandro ny filaminana sy ny andian'olona tany Ikongo omaly : tafakatra ho 21 ny isan'ny maty, 24 ireo naratra, araka ny tatitra nivoaka androany. Nidina ifotony namangy ireo maratra sy ny fianakavian'ny maty ny iraky ny fitondram-panjakana... ♦ Natomboka androany teny Alarobia ny atrikasa fampahafantarana ny drafitr'asa mandritra ny fe-potoam-piasan'ny CENI, sy ny fomba hanatanterahana ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy... ♦ Nampahafantarina teny amin'ny Carlton Anosy, ny vokatra ôfisialin'ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana na ny EDS andiany fahadimy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...