♦ Andro faharoa amin'ny JMJ Mada andiany faha-10 tanterahana any amin'ny Diôsezin'Antsirabe ny androany. Fandaharam-potoana ny maraina teo ny katesizy ho an'ireo mpivahiny isaky ny Site, tarihin'ny Eveka sy ny Pretra... ♦ Tsy maintsy atao ny famotorana momba ny raharaha nitranga tany Ikongo ny alatsinainy teo hoy ny filoham-pirenena. Hanaraka akaiky ny fizotran'ny fanadihadiana ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nanatanteraka fivoriana voalohany niaraka tamin'ireo vaomiera mpanisa ny mpifidy eny ifotony ho an'Antananarivo Renivohitra ny vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana na ny CENI... 

♦ Nandefa hafatra ho an'ireo tanora mpivahiny miatrika ny andron'ny tanora eran-tany andiany faha-10 tanterahana ao Antsirabe i Papa François. Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny JMJ Mada andiany faha-10... ♦ Namitram-pihavanana tamin'ny vahoaka tao Ikongo omaly ny solontenan'ny fitondram-panjakàna tonga tany an-toerana. Mitaky fanadihadiana parlemantera, manoloana ity toe-draharaha ity, ny solombavambahoakan'ny distrikan'i Ikongo Razafitsiadraofa Jean Brunel... ♦ Nisy fiatraikany tamin'ny sehatr'asa atao amin'ny tetik'asa fametahana kavin'omby elektronika tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy ny fidinana ifotony nataon'ny fitantanana ankapoben'ny Fiompiana tany an-toerana...

01 septambra — Teraka tamin’ny faraparan’ny taonjato fahafito tao Athènes ka nankany Provence mba hanokatra trano fitokana-monina i Gilles izay nanandray ny anarana hoe Gilles du Gard, ary nodimandry tao izy ny toana 710. Ny lalana nandevenana azy dia lalana mankany amin’ny Saint-Jacques-de-Compostelle.

Alakamisy 1 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...