♦ Miditra amin'ny andro fahatelo anio, ny JMJ Mada X tanterahana any Antsirabe, hitohy ny fandalinam-pionana hatrehan'ireo tanora mpivahiny... ♦ Namoaka fanambarana noho ilay raharaha tany Ikongo ny FFKM omaly. Mangataka ny hisian'ny fisaonam-pirenena ihany koa ny RMDM manoloana iny zava-nitranga iny... ♦ Nitokona indray omaly ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo. Nidina an-dalambe teny Ankatso izy ireo ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...
02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.
Zoma 2 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 33-39
♦ Fandalinam-pinoana sy fanentanana ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana, ary hetsika ara-kolontsaina no nanohizana ny JMJ any Antsirabe androany... ♦ Namoaka fananmbarana, manoloana ilay raharaha namoizana ain'olona tany Ikongo sy tany Ambolotarakely Ankazobe ny FFKM androany. Mangataka ny hisian'ny fisonam-pirenena kosa ny RMDM, nanoloana io zava-nisy tany Ikongo io... ♦ Nitokona sy nidina an-dalambe teny Ankatsoa indray androany ireo mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo, nitakiana vatsim-pianarana mbola tsy voaloa. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco