Alarobia 27 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-46
♦ Fanararaotana ny fahasahiranam-bahoaka no andikan'ny mpanohana ny fitondrana ny hetsika kasain'ny RMDM atao amin'ny sabotsy izao. Tsy mihevitra ny haka na ametraka fahazoan-dalana ny RMDM amin'io hetsika io satria ambarany fa ao anaty toerana manokana sy mifefy... ♦ Vola hatrany amin'ny 4.600.000.0000 Ariary no heverina hiditra ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakàna ao anatin'ilay fifanaraham-piara-miasa amin'ny jono lamàtra... ♦ Miditra amin'ny herinandro fahadimy ny fitokonana ataon'ireo mpiasan'ny ministeran'ny raharaham-bahiny Malagasy ankehitriny. Tsy nisy nandritra izay iray volana mahery izay na ny dinika na ny fihaonana nataon'ny ministra mpiahy tamin'ireo mpiasa...
♦ Vita sonia ny famatsiam-bola 25.000.000 Dôlara, ao anatin'ilay tetik'asa Mionjo, izay entina hiatrehana ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy hanarenana ny any atsimon'ny nosy... ♦ Manomboka miarin-doha ankehitriny ny sehatry ny fizahan-tany any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana... ♦ Eo am-pamolavolana ankehitriny ny didim-panjakana hampiharana ilay lalàna vaovao momba ny tanin'olon-tsotra tsy vita "titre". Ny Faritra Vakinankaratra no nisantarana ny fampahafantarana ôfisialy ny fisian'ity lalàna ity...
Tsy misy zavatra milamina raha tsy misy fandaminana, izay miainga amin'ny saina mba hampahomby ny taom-pianarana manaraka vaovao. Ny fialan-tsasatra alamina sa milamina no antoky ny fahombiazan'ny taom-pianarana ho avy, amin'ny fomba ahoana?. Ny fialan-tsasatra dia fialana amin'ny zavatra nahazatra na ara-tsaina na ara-batana ; miavaka amin'ny fialamboly izy io satria lava kokoa ara-potoana. Ny hamaritana fa mahomby ny zavatra hatao dia izy ahazoana tombontsoa na vokatra tsara. Ny telozorom-panabeazana no tena tokony misitraka ny fialan-tsasatra ; ireo rehetra voakasika dia mila mandamina mialoha ny saina, ny fandaniana, asongadina ny zavatra laharam-pahamehana.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco